SAFIF

TANTARAN’NY SAMPANA FIFOHAZANA
Ny 8 Novambra 1983 no natsangana ny Biraon’ny Sampana , natrehan’ny Mpitandrina SOLOHERY Paul sy solo-tenan’ny Biraom-piangonana ary solo-tenan’ny Diakona . Tamin’ny 3ora folakandro no nanomboka ny fotoana , 85 no isan’ny olona nanatrika , 8 tamin’ireo mpiandry , ary tamin’io ny fotoam-pifohazana voalohany teto Isotry Fitiavana araka ny nambaran’I Pasteur SOLOHERY Paul . Notazonina ho isaky ny Alahady faharoa @ volana Novambra ny isan-kerintaonan’ny Sampana ; ary Isaky ny Alahady faharoa amin’ny volana ,manomboka amin’ny 3 ora tolakandro no manao fanompoam-pivavahana ny sampana .
Tsy mbola re loatra teo amin’ny sahan’ny F.J.K.M ny hoe FIFOHAZANA , ary maro no nihevitra fa “ secte ” ity Fifohazana ity , hany ka vitsy ny olona manatrika ny fotoana , ary tsy nihoatra ny 30 ny nisoratra anarana ho mpikambana , ary dia niezaka nanao fanazavana hatrany ny tomponandraikitra .

Pas de commentaire.

Ajouter un commentaire

Vous devez être Connecté pour poster un commentaire.