Fanolorana fahafolokarena

image_pdfPDF
Mba tantanonao, ry Raiko. Izato làlan-janakao. Ny mifidy toa tsy haiko, fa maniry indrindra Anao. Hitanao ny adi-tsaina. Mitambesatra ao an-doha‘Zany tsikin’ny maraina. Toa ela vao hifoha. Moa diso ny safidiko raha mandroso ka mankao. Sa ‘ty làla-nofinidiko dia tsy ilay voasoritrao. Tanteraho ny faniriako O ! ry Tompo tena tia. Fa ity zavatra iriko Masina amiko doria.
Nefa, raha tsy izay no didy. Namboarinao ho ahy amboary ny safidy sy ny ratrako am-panahy. Atolorinao ny hery, hampijoro izay nikoa. Ka sitranonao ny fery sy ny ratrako ao am-po.
image_pdfPDF