Isaky ny Alarobia ka ny atoandro, amin'ny 12ora30-01ora30 ary ny Alarobia hariva, amin'ny 6ora45-7ora45 ny fotoanan'ny Mpanandratra Tehina.
Ny atoandro dia ao amin'ny efitranon'ny Diakona no anatanterahana azy; ny hariva kosa dia ao am-piangonana.
Sehatra iray hitondrana am-bavaka ny Fiangonana fa indrindra indrindra koa ahafahana mandinin-tena amin'ny alalan'ny fandohalihina mivavaka io sehatra io.
Tahak'izao ny fizotry ny fotoana:
- Fanombohana amin'ny alalan'ny Salamo - Hira - Vavaka
- Famakiana Salamo fiderana ary fanaovana vavaka fiderana
- Fihainoana ny hafatry ny Soratra Masina arahina fandinihan-tena mivavaka mandohalika isaky ny fahamarinana voalazan'ny Baiboly
- Fitondrana am-bavaka ny fiainan'ny Fiangonana
Manasa anao hanatrika io fotoana io