Ireo tsianjery

Tsianjery Alahady 22 Desambra 2019

"Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina". Romana 15:13

Tsianjery Alahady 08 Desambra 2019

"Ary ny Tompon'ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin'ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo". 2 Tesaloniana 3:16

Tsianjery Alahady 01 Desambra 2019

"Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo". Isaia 57:15b

Tsianjery Alahady 24 Novambra 2019

"Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany". Malakia 3:20a

Tsianjery Alahady 10 Novambra 2019

"Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa". Jaona 14:3

Tsianjery Alahady 03 Novambra 2019

"Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka. Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy" Salamo 37:5;7a