FIAINANA ARA-PANAHY
NY VINA :
1) Mitory ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny mpikambana Dorkasy sy any ivelany, mba hahatondra olom‐bonjena ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
2) Asa sosialy :
2) Asa sosialy :
- Manolokolo sy mitaiza ny mpikambana amin’ny alàlan’ny fampivoarana ny vehivavy amin’ny lafiny rehetra: saina, vatana, fanahy.
- Manolokolo sy mitaiza ny tanora sy ny ankizy (Ohatra:zaza mania Ambohidratrimo, voafonja Antanimora,kamboty eny Tangaina, …)
NY FOMBA FIASA :
a) Anatiny: Mivory isaky ny Talata manao fotoam‐pivavahana: misy toriteny fampianarana. Ny Talata faran’ny volana dia fampianarana samihafa misy lohahevitra amin’ny fiainana ankapobeny.
b) Ivelany: Manaraka izay tetiandro soritan’ny Foibe Dorkasy, SP, Faritra, ARM. Manatanteraka ny soritrasa notapahin’ny KL amin’ny SP sy ny Faritra; ny birao no tompon’andraikitra amin’izany, ny birao izay mivory indray mandeha isambolana. (Tohiny)