Ny fianarana mitoriteny isaky ny Alatsinainy hariva, amin'ny 6ora ka hatramin'ny 6ora45mn dia sehatra iray ahafahan'ny tsirairay mitombo ara-panahy amin'ny fianarana mampita hafatra ao anatin'ny 1mn30.
Tahak'izao ny fizotry ny fotoana:
- Fanombohana amin'ny alalan'ny famakiana Salamo - Hira - Vavaka
- Olona 6 mifandimby manao hafatra 1mn30
- Hafatra entin'ny Mpitandrina Solofo RAMAHOMILIHASO
- Fitondrana am-bavaka ny fiainan'ny Fiangonana - ny Sampana - ny tsirairay
Manasa anao hanatrika io fotoana io