Archives de la catégorie: Vaovao

ireo Vaovao amin’ny fiainan’ny fiangonana sy ny sampana

29 JOLAY 2018 – FANAOVAM-BELOMA NY MPITANDRINA MIZAHA-DRAHARAHA

Nifarana ny 29 Jolay ny fizaran-draharaha nataon'ny Mpitandrina ANDRIAMIHAJA Lanto teto amin'ny Fiangonana. Nisolo tena ny Fiangonana ny Mpitandrina sy ny biraom-piangonana iray nanolotra fisaorana azy ary nitondra azy am-bavaka. Nisaotra an'Andriamanitra ary nisaotra an'i Pasteur Solofo i Pasteur Lanto noho ny fiaraha-miasa nisy teo amin'izy ireo ary nanambara fa nanefy azy ho tena Mpitandrina…
Tohiny

17 JONA 2018 – FETIN’NY RAY

Araka ny mahazatra eto amin'ny fitandremana dia nahazo fahatsiarovana avy amin'ny Fiangonana ireo raim-pianakaviana rehetra tonga nanatrika ny fanompoam-pivavahana ny Alahady 17 Jona 2018. Tsy diso anjara tamin'izany ny Mpitandrina Solofo RAMAHOLIMIHASO. Ankoatra ny fanomezana azony avy tamin'ny Fiangonana dia nahazo mofo mamy avy tamin'ny SAMPATI ny tenany.
Tohiny