Archives de la catégorie: Vaovao

ireo Vaovao amin’ny fiainan’ny fiangonana sy ny sampana

09 Septambra 2018 – ALAHADIN’NY AFF

Nitarika ny fotoana sy nitondra ny fampianarana ho an'ny ankizy sy ny tanora ny filohan'ny AFF, Atoa RAHARISON Jean Aimé. Ny 1 Kor. 6:9: "Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita"…
Tohiny

08 SEPTAMBRA 2018 – KATEKOMENA – TAFIKA MASINA

  • 20180908_102503
  • 20180908_102536[1]
  • 20180908_102607[1]
  • 20180908_102615[1]
  • 20180908_102644[1]
  • 20180908_102940[1]
  • 20180908_102954[1]
  • 20180908_103005[1]
  • 20180908_103414[1]
  • 20180908_103226[1]

Ny Asabotsy 08 Septambra 2018 dia nanatanteraka Tafika Masina teny Anosipatrana ny Katekomena.

Ny nampiavaka an'ireto groupe ireto, dia tsy fitetezana tokan-trano no nataony, fa nitory kosa izy ireo tamin'ireo olona nifanena tamin'izy ireo teny an-dalana, na koa olona eo am-piasana.

12 AOGOSITRA 2018 – SVM – FITONDRANA AM-BAVAKA IREO HANALA FANADINANA

  • 20180812_151310
  • 20180812_155333
  • 20180812_151255
  • 20180812_151329
  • 20180812_151735
  • 20180812_151929
  • 20180812_152059

Nanatanteraka fanompoam-pivavahana teto amin'ny Fitandremana Isotry Fitiavana ny Sampana Vokovoko Manga ny Alahady 12 Aogositra hariva ho fitondrana am-bavaka ireo zanaky ny Fiangonana izay hiatrika fanadinam-panajakana amin'ity taona ity.

Ho fanantanterahana izany dia niara-niasa akaiky tamin'ny Sampana ny Sekoly La Farandole sy ny Institution Marthe Hervé.