"Mahatoky ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tety ambonin'ny tany Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota, ary amin'ireny izaho no lohany". — I Timoty 1 : 15
Tohiny
"Ary ny loholona efatra amby roa-polo sy ny zava-manan'aina efatra dia niankohoka nivavaka tamin'Andriamanitra. Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, ka nanao hoe: Amena; Haleloia!"— Apokalypsy 19 : 4
Tohiny
"Mba ho amin'ny anaran'i Jesoa no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambanin'ny tany, sy haneken'ny lela rehetra fa Jesoa Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray". — Filipiana 2 : 10 - 11
Tohiny
"Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin'ny Zanak'olona". — Jaona 1 : 51
Tohiny