"Dia hoforan'i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon'ny taranakao hitiavanao an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao". — Deoteronomia 30 : 6
Tohiny
"Izaho efa nanao batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina". — Marka 1 : 8
Tohiny
"Ary hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin'i Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an'i Saoly rainao, ary ianao hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva". — II Samoela 9 : 7
Tohiny
"Dia nanatona ny olon-kendry rehetra, izay nanao ny asa rehetra amin'ny fitoerana masina, samy niala tamin'ny asany izay nataony avy, ka niteny tamin'i Mosesy hoe: Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin'ny asa nandidian'i Jehovah hatao". — Eksodosy 36 : 4 - 5
Tohiny