"Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha". Apokalypsy 21 : 4
Tohiny
"Toy ny hamaroan'ny kintana eny amin'ny lanitra, izay tsy azo isaina, ary toy ny fasika any amin'ny ranomasina, izay tsy azo afàtra, dia toy izany no hanamaroako ny taranak'i Davida mpanompoko sy ny Levita, izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy". Jeremia 33 : 22
Tohiny
"Ary Simeona nitso-drano azy ireo ka nanao tamin'i Maria, renin'ny Zaza, hoe: Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin'ny Isiraely ary ho famantarana holavina ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra — mba haseho ny hevitry ny fo maro". Lioka 2 : 34 - 35
Tohiny
"Ary ny amin'Isimaela, dia efa nihaino anao Aho; indro, efa nitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa ambin'ny folo izy, satria efa notendreko ho firenena lehibe". Genesisy 17 : 20
Tohiny