"Ary hoy izaho taminy: Izahay araka izay tratry ny nanananay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay, izay efa namidy tamin'ny jentilisa; fa ianareo kosa moa hivarotra ny rahalahinareo va, ka hamidy aminay va izy? Dia sina izy, fa tsy hitany izay havaliny". Nehemia 5 : 8
Tohiny
"Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!". I Korintiana 9 : 16
Tohiny
"Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany". Lioka 10 : 1
Tohiny
"Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesoa Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra". Asan'ny Apostoly 20 : 24
Tohiny
