Vaovao

"Moa Andriamanitra ety akaiky ihany va Aho? hoy Jehovah. Fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa? Moa misy olona mahafin-tena ao amin'ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah". Jeremia 23 : 23 - 24
Tohiny

"Ary reko ny alitara nanao hoe: Eny, Tompo o, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao". Apokalypsy 16 : 7
Tohiny

"Koa izany no anaovan'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka". I Samoela 2 : 30
Tohiny

"Manomeza voninahitra an'i Jehovah Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin'ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo, ka raha miandry ny mazava ianareo, dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana, ka hampodiny ho aizim-pito". Jeremia 13 : 16
Tohiny