Vaovao

ALAHADY 13 MEY 2018

image_pdfPDF

1 Korintiana 2 :16b : « Fa izahay manana ny sain’ i Kristy ».

Resaka saina (pensée na intelligence amin’ny teny frantsay) – Resaka sain’i Kristy.

Ny Apostoly Paoly no milaza hoe : « Fa izahay manana ny sain’ i Kristy ». Ny fanontaniana apetraka amintsika dia izao : IANAO VE MANANA NY SAIN’I KRISTY ?

Fahamarinana 1 : NY OLONA MANANA NY SAIN’I KRISTY DIA MAHALALA FA NY AO AM-PON’ANDRIAMANITRA LALINA DIA NAMBARANY TAMIN’NY APOSTOLY SY NY MPAMINANY

Fahamarinana 2 : NY OLONA MANANA NY SAIN’I KRISTY DIA MAHAFANTATRA FA MISY KARAZANY 2 NY OLONA, DIA NY OLONA ARAKA NY NOFO SY NY OLONA ARAKA NY FANAHY

Fahamarinana 3 : NY OLONA MANANA NY SAIN’I KRISTY DIA OLONA FENO FANKATOAVANA – OBEISSANCE ABSOLUE

image_pdfPDF

ALAKAMISY 10 MEY 2018 – ANDRO FIAKARANA

image_pdfPDF

1 Timoty 3: 14-16: "Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena hankatỳ aminao faingana aza aho; fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondran-tena mety hatao ao an-tranon’ Andriamanitra, dia ny fiangonan’ Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan’ ny fahamarinana. Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin’ ny nofo, nohamarinina tao amin’ ny Fanahy; hitan’ ny anjely, notorina tany amin’ ny jentilisa, ninoana teny amin’ izao tontolo izao, nakarina tamin’ ny voninahitra" .

Resaka firaiketam-po

image_pdfPDF

ALAHADY 06 MEY 2018

image_pdfPDF

1 Tes 1 :10a : « Ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra »

Resaka fiandrasana

Fahamarinana 1 : NY OLONA MIANDRY DIA OLONA MIALA AMIN’NY SAMPY

Fahamarinana 2 : NY OLONA TENA MIANDRY MARINA AN’I JESOA DIA MITANDRINA NY MBA TSY HITENY RATSY NY FANAHY MASINA

Fahamarinana 3 : NY OLONA MIANDRY AN’I JESOA AVY ANY AN-DANITRA DIA TSY MIPETRAPETRA-POTSINY FA MANOMPO AN’ANDRIAMANITRA VELONA

image_pdfPDF