À propos de: FJKM Isotry Fitiavana
Messages récents par FJKM Isotry Fitiavana
ALAHADY 06 OKT 2019
Misy ry havana fomba fiteny, tsy fantatro raha efa mba henonareo aty an-drenivohitra, fa misy an’izao fomba fiteny izao, hoe : « papangolahy anaty katsaka izay mivoaka babany avokoa ». Tsisy reniny an, tsy misy reniny fa babany avokoa izany. Dikan’izany, ny papango tsisy vaviny angamba, hoy isika. Inona moa no dikan’izany ? Hoe : samy miseho azy ho zavatra, samy miseho azy ho mahery, samy miseho azy ho mahay, ary amin’ny fitenin-jatovo, dia hoe : samy miseho azy ho milay. Samy miseho milay avokoa izany rehefa mivoaka avy ao amin’izany katsaka izany ny papango. Ary ankoatran’izay, mbola misy koa ilay fomba fiteny anankiray izay heveriko fa mbola haintsika ihany, manao hoe : « milaza antsanga tsy aman’orana ». Inona moa ny antsanga ? Ny antsanga izany, rehefa avy mafy be ny orana, dia misy ohatrany fasika kely madinidinika ho antiny avy any ambony any, ka miangona eo amin’ny toerana ambany. Ka tsy ho possible mihitsy, ary impossible ny fisian’ny antsanga raha tsy misy ny orambe mivatravatra, fa tsy zanak’orana. Nefa ny sasany, sady tsy misy orana madinika, tsy misy orana mivatravatra, nefa milaza fa mahita antsanga. Zaavtra tsy izy izany. Izany no mahatonga ny hoe : « milaza antsanga tsy aman’orana ». Koa ao anatin’izany, amin’ity volana ity, isika dia miresaka mahakasika ny amin’ny hoe : « Maniria ny haminany ». Maro ny milaza azy ho mpaminany ary misy aza tena misora-tena mihitsy hoe : izaho dia mpaminany, nefa tsy niteny taminy hoe : « ah, mpaminany iny an » ; fa izy ihany no manambara ny tenany hoe : « izaho dia mpaminany », misora-tena ho mpaminany. Koa inona ary no tena hamantarana ny mpaminany tena marina ? Ahoana na inona no hamantarana ny mpaminany tena marina ? Noho izany ry havana, andeha ny voalaza ao amin’ny 1 Korintiana 14 :1-6 no hamaliantsika izay fanontaniana izay sady andraisantsika ny hafatra avy amin’Andriamanitra amin’ity Alahady voalohany izay hibanjinantsika indray ny lohahevitra vaovao manao hoe : « Maniria ny haminany ». Ka omentsika ny lohateny hoe : NY MPAMINANY TENA IZY ity 1 Korintiana 14 :1-6 ity.
Eo amin’ny and.1, izao no voalaza eo amin’ny anaran’i Jesoa : « Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany ».
Ny zavatra voalohany ho jerentsika arak’izany ao anatin’izao tenin’Andriamanitra izao, izay nambara teo, dia izao, hoe : NY MPAMINANY TENA IZY VOALOHANY INDRINDRA DIA MANAMBARA MAZAVA NY TENIN’ANDRIAMANITRA.
Raha vao miresaka ry havako malala ny amin’ny hoe mpaminany izany isika, dia maro no fomba filaza ary manan-kambara holazaina ain’izan ny olona tsirairay, indridnra fa ny Fiangonana, tsy ambakany amin’izany. Fa ny Fiangonana mihitsy no nataon’Andriamanitra fitaovana nipoiran’izany voambolana hoe « mpaminany » izany. Ary be dia be ny mpaminany voasoratra ao anatin’ny Soratra Masina, izay samy manana ny maha-izy azy, na lahy, na vavy, hita ao avokoa. Fa ahoana kosa no hamantarana, no hilazana, no hitenenana fa misy ny mpaminany, fa misy ny mpaminany tena izy ? Ka hoy isika teo hoe ny hamantarana, ny ahafantarana ny mpaminany tena izy dia izao, hoe : manambara mazava ny tenin’Andriamanitra. Raha ambara hoe « manambara mazava ny tenin’Andriamanitra » ry havana, i Paoly Apostoly dia anisan’izay tsy misorona mihitsy ary tsy mikidikidy, tsy manao somonga, tsy manao sangisangy ny amin’izany tenin’Andriamanitra izany. Fa na mahafaly anao, na tsy mahafaly anao, na mahafinaritra na tsy mahafinaritra, na mety aminao na tsy mety aminao, tsy maintsy ambarany, lazainy ny amin’ny tenin’Andriamanitra. Ary izay no tena izy. Tsy sofosafoina, tsy amboamboarina, tsy hatsaratsaraina, tsy atao itadiavana tombontsoa sy voninahitra ny amin’izany tenin’Andriamanitra izany ; fa izay tena izy no ambara sy lazaina. Ary ny mpaminany dia olona manana ny fahasahiana manambara izany tenin’Andriamanitra izany. Satria aza adino fa na dia mandalo fiainan-tsarotra, toe-javatra manahirana ny firenen’ny zanak’Isiraely, fa ny mpaminany mandrakariva dia eo ihany miteny, mananatra, manitsy ny amin’izay fitondran-tena tokony atao. Ary raha vao miresaka isika ny amin’ny mpaminany izany, aza adino ry havako malala, fa ireto zavatra 3 ireto no anjara toerana lehibe izay tazomin’izany mpaminany izany teo amin’ny zanak’Isiraely :
- Voalohany, ny mpaminany dia natao hampahery ny olona; izay izany no anjara toeran’ny mpaminany : hampahery ny olona manoloana ny adin-tsaina, ny zavatra manahirana samihafa ; dia mijoro ny mpaminany mampahery ny olona, mampahery ny firenena, manome toky azy. Izany no asan’ny mpaminany. Tsy mora izany : ho an’ny firenena latsaka an-kady, ho an’ny olona efa resy dia miseho ny mpaminany mijoro ho mampahery azy.
- Ny zavatra faharoa, rehefa tratran’ny olana manko dia matetika adino Andriamanitra indraindray ; ary indraindray dia manao mihitsy hoe « aiza loatra ianao Andriamanitra ? », « Mangina ianao Andriamanitra manoloana ny olana izay mahazo anay ». Ao anatin’izany, ny anjaran’ny mpaminany faharoa, aza adino fa mampitodika ny olona amin’Andriamanitra. Tsy vitan’ny hoe mampahery ihany, fa mampitodika ny olona amin’Andriamanitra. Izay izany, asan’ny mpaminany izany izay. Satria mety ho variana ny olona, sondriana ny olona, amin’ny zavatra maro samihafa ; fa anjaran’ny mpaminany kosa mijery, ary rehefa mahita izy, anjarany ny mampitodika ny olona, mampitodika ny firenena, mampitodika ny mpitondra amin’ Andriamanitra.
- Ary ny zavatra fahatelo, anjara toerana lehibe tazomin’ny mpaminany ry havako, dia izao : ny mpaminany dia hahatonga ny olona hiaiky ny fahotany sy hibebaka amin’ny ratsy izay nataony. Anjaran’ny mpaminany izany izay : mahatonga ny olona hiaiky ny fahotany, hibebaka amin’ny ratsy ataony ka hioba indray mandeha, hiova amin’ny fahatsarana, ka hiala ao anatin’izany fahotana izany.
Ireo izany ny anjara toeran’ny mpamimany. Ka ny mpaminany araka izany, tsy natao ho olona handeha hanasoaso fotsiny, na hanindrahindra hoe « mahafinaritra ianao, tsara ianao, tohizo fa zao… » ; tsy izay ihany. Fa anjaran’ny mpaminany ny tsy maintsy miteny manoloana ny zava-misy sy ny zava-mitranga eo amin’ny firenena, eo amin’ny tokantrano, eo amin’ny fiaraha-monina, ao anatin’ny fianakaviana, eo amin’ny ankohonana. Tsy maintsy manambara an’izany ny mpaminany.
Noho izany ry havako malala, raha niteny an’izao teny izao i Paoly Apostoly dia tena manambara tokoa, ataony mazava tsara, lazainy mazava tsara, tsy am-piambahambana, tsy amboamboarina tahaka ny sasany hoe izay mety aminy ihany ny toko sy andininy, izay ihany no toriana. Fa ny mpaminany tsy mba tahaka an’izany, tahaka ny fomba fitenintsika hoe : « ombalahy be tandroka ny mpaminany, ka tsy mifidy tany malemy anorenam-pangady ». Na inona na inona zavatra mitranga izany, n’inon’inona zavatra miseho, ny mpamimany vonona mandrakariva ary eto isika manambara fa tsy mora ry havako malala ny asan’izany mpaminany izany. Ary maro ary ny mpaminany izay iharan’ny fanenjehana, iharan’ny famonoana, iharan’ny fanilikilihana, fanevatevana. Fa izany rehetra izany kosa, dia raisin’ny mpaminany ho voninahitra, ary raisiny ho rehareha eo anatrehan’Andriamanitra, na dia enjehina sy ratraina aza sy vonoina, sy atao izay hahafoana azy. Fa tsy maintsy mijoro ny mpaminany manambara ny amin’ny fahamasinana. Ary izay no mahatonga ny voalaza any amin’ny Salamo 40 :8 : « Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko ». Fa raha tsy io, dia tsy izy izany izay. Izay izany, izay ny mpaminany : n’inon’inona izany zavatra mivelatra eo anoloany, fandaharam-potoana samihafa, zavatra isan-karazany miseho, fa ny an’ny mpaminany kosa, ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra, izany no sitrany, izany no lalainy, izany no tiany, izany no ilofosany, izany no imatimatesany eo amin’ny fiainana : ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Fa tsy misy ankoatra an’izay. Satria izany no asain’Andriamanitra ataony, izany no ampanaovin’Andriamanitra azy. Kanefa tsarovy fa tsy ho tanteraka izany fitondrana hafatra mazava izany, izany manambara mazava ny tenin’Andriamanitra izany raha tsy ao ny Fanahy Masina izay mampianatra azy, izay mampahery azy, izay mamporisika azy, ary manome toky azy mandrakariva.
Ry havako malala eto amin’ny Tompo, raha ambara hoe :manambara mazava ny tenin’Andriamanitra, dia tsy asa mora izany. Satria maninona ? Maro ny olona, rehefa teneninao izy hoe miteny marina ny tenin’Andriamanitra, ambara aminy ny tena marina amin’ny tenin’Andriamanitra, tsy misy hodiny izany fa voasana madiodio, dia maro no ty mahazaka an’izany. Maro no tsy mahazaka ; ary anisan’ny mahatonga ny olona mitsaoka, miala ao am-piangonana, manao veloma ny varavaran’ny Fiangonana mihitsy hoe : « izaho tsy mba handeha ao mihitsy mandra-pahafatiko ». Dia inona ? Amin’izay fanitsiana azy, fitenenana azy, fanoroana azy ny lalana marina tokony andehanany, ka hamonjena azy, dia manao veloma izy. Izao no teny ataony hoe : « izaho dia tsy mba hiditra amin’io Fiangonana io fa i Pasitera dia izaho ihany no teninteneniny, ny diakona dia izaho ihany no teninteneniny, ny mpiandry dia izaho ihany no teninteneniny ; tsy mba hiditra aho izaho mandra-pahafatiko ». Ary misy marina tokoa ilay izy, ary tsy miditra ao am-piangonana marina izy mandra-pahafatiny ; fa rehefa maty izy, ampidirina: eo, mi-geste eto aloha mihitsy izy ; eo izy mi-geste aloha eo. Satria tanteraka ny teniny hoe : « izaho tsy mba hiditra ao mandra-pahafatiko » ; fa reehfa maty izy, dia io izy. Ary indraindray ry havana dia mampanontany tena ihany ny amin’ny hoe : « Pasitera ô, mba torio ity tenin’Andriamanitra ity fa ity no mba fanirianay » ; ilay olonaé efa tsy ary hita tao am-piangonana, « nahatanteraka ny fihazakazahako aho ». Inona moa ny fihazakazahana vitany teo ? Nihazakazaka taiza ? Fa tsy tokony ho toriana mihitsy izany teny izany. Mampieritreritra : nandeha nihazakazaka tany izy, fa reehfa tapitra ny fihazakazahany, io izy, tonga eo aloha eo. Noho izany ry havana, aza atao ho zavatra mampihemotra anao, aza atao ho teny mamparary anao ny teny ataon’ny mpaminany, ny teny ataon’ny mpanompon’Andriamanitra, ary ho hitantsikaamin’ny fampiaharana rehefa avy eo ; fa raiso ain’ny fifaliana, raiso amin’ny fitiavana izay teny rehetra omen’Andriamanitra miainga avy amin’izany mpaminany izany. Fa natao hahatsara anao izany, natao hahasoa anao izany, ary ny tanjona dia ny ahatongavanao eo an-kavanan’Andriamanitra miaraka amin’i Jesoa Kristy.
Izay ny zavatra voalohany : manambara mazava : aza amboamboarina izany, aza tefitefena izany, aza atsaratsaraina izany, aza atao itadiavana tombontsoa akory izany tenin’Andriamanitra izany. Fa tena lazaina, ambara ny marina ; fa i Jesoa no efa niteny hoe : Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’Andriamanitra hoy Jesoa Kristy afa-tsy amin’ny alalany. Koa raha mbola ivelan’i Jesoa izany no toriantsika, ampianarintsika, dia tsy mpaminany izany izay. Ary maro ry havako malala ny miseho ho azy ho mpaminany araka ny nambarantsika teo, mahita an’izao antsanga tsy aman’orana izao : lazaina fa efa ho avy ny fara andro, mampihorohoro ny olona, mampihorohoro izao tontolo izao, mampihorohoro ny olona tsirairay, ny tokantrano, dia matahotra. Ary tsy vitan’izay ihany, fa maro koa ny milaza ho mpaminany, mahita hoe amin’izao dia izao no zavatra hitranga, mahita ny zavatra mety hitranga samy hafa ; ary ny sasany milaza mihitsy, manambara hoe amin’ny daty ohatran’izao dia izao no mahazo. Tsy izy izany izay. Fa ny aminao, ny amintsika, efa voafaritr’Andriamanitra ny fandaharany aminao rehetra. Fa tsy maintsy ho tonga ny farany, fa Jesoa no efa nilaza ao amin’ny Matio 24, hitenenany mazava fa hisy ny mpaminany sandoka. Hisy ny mpaminany sandoka izay miseho etsy sy eroa, mody mahay mampianatra, milaza zavatra samy hafa, nefa Jesoa Kristy aza tsy ao anatiny akory.
Ry havako malala, zava-dehibe arak’izany ny hanambarantsika Fiangonana, hanambarantsika Sampana, isika tsirairay avy, mazava ny tenin’Andriamanitra ampitaina any amin’ny olona.
Ny faharoa dia izao : raha miteny isika hoe ny mpaminany tena izy, eo amin’ny and.4 : « Izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa mampandroso ny fiangonana ». Ireny manao bli-bla ireny, tsy mamango ireny, tsy izy ireny. Satria mody eo, mientanentana eo, mitsipatsipaka eo, tsy misy mahazo akory ny zavatra teneniny, fa izy ihany no manao izay tiany atao eo. Fa ny tena izy, araka ny filazan’i Paoly ; raha izaho hoy Paoly dia mahay lavitra noho ianareo amin’izany teny tsy fantatra izany. Fa tsy uzy izany izay. Aleo izany ianao miteny mazava, mampandroso,hain’ny olona, azon’ny olona ny tianao ambara. Izay izany no izy. NY MPAMINANY TENA IZY DIA MAMPANDROSO NY FIANGONANA NO ASANY.
Mampandroso ny Fiangonana, mampiaina ny Fiangonana ny tenin’Andriamanitra. Raha ambara hoe mandroso izany, manana hevitra maro samihafa. Fa ny anankiray horesahintsika amin’izay dia izao : raha ambara izany hoe mandroso ny Fiangonana, dia mihitatra ny Filazantsara. Tsy misy afa-tsy izay. Tahaka ny tamin’ny andron’i Jesoa, tsy nijanona tao Jerosalema ihany, fa nandeha namakivaky ny toerana samihafa, ary nahatonga azy niditra sy namakivaky ary Samaria aza tsy maintsy nandalovany na dia ambara aza fa tsy mahazo mifampiraharaha akory, tsy mahazo mifanerasera ny jiosy sy ny samaritana. Fa tsy maintsy novakian’i Jesoa izany, tsy maintsy noravany izany, tsy maintsy nopotehiny izany hampandrosoana ny filazantsara, hampandrosoana ny Fiangonana. Maro arak’izany ny endrika izay itenenana ny amin’izany antson’ny Fiangonana izany. Koa satria rehefa tena izy ilay mpaminany dia tsy mieritreritra ny tombontsoa ho an’ny tenany izy, fa tombony ho an’ny firenena, tombony ho an’ny Fiangonana, tombony ho an’ny ankohonana, tombony ho an’ny tokantrano. Izany no iezahany mafy, izany no ataony ho zava-dehibe, izany no vaindohan-draharaha eo amin’ny asan’ny mpaminany, dia ny hampandroso ny Fiangonan’Andriamanitra. Fa tsy handeha hitady izao vola aman-karena samihafa, harena samihafa. Fa ny tena mpaminany marina dia tsy mba manao an’izany. Fa ny mifofotra, ny miezaka , ny milona ao anatin’ny tenin’Andriamanitra, izany no ataony.
Satria izany ny fotoanantsika ry havana lavalava ihany, andeha hanao fampiharana amin’izany. Raha anio isika mitondra am-bavaka an’i Pasteur Solofo sy ny vadiny, izaho manokana dia resy lahatra tokoa fa raha tsy nambarany mazava ny tenin’Andriamanitra, dia tsy ohatran’izao ny fiainan’ny Fiangonana. Ary raha mbola tao ihany ny fitiavan-tena, tsy ohatran’izao ny fiainan’ny Fiangonana.
Hilaza zavatra aminareo aho ry havako malala : fa sambatra ny Fiangonana manana Mpitandrina izay tena miaina, milofo, ary manao ny ainy tsy ho zavatra amin’izany fitondrana ny tenin’Andriamanitra mazava izany amin’ny olona, sambatra. Ary ny mpaminany ankehitriny, tsy andeha hijery an’Isaia isika, Jerelia, tsy izany intsony. Fa ny mpaminany, ny Mpitandrina anankiray anisan’izany. Ny Mpitandrina izay manao ny ainy tsy ho zavatra, milofo, miezaka, milona amin’ny tenin’Andriamanitra. Ny Mpitandrina anie, aza adino e, anisan’izany izao Pasteur Solofo eto aminareo, ny Mpitandrina dia tahaka ny compteur izany izahay ireto. Mahay an’izany isika, compteur. Raha ampoule anankiray izany no mampiodina ny compteur, manao ahoana ny fiodinany ? Malefaka kely, mora kely. Fa arakaraka ny fisian’ny vesatra na ny charge ho entin’ny compteur izany, miodina mafy izy, tena miodina mafy. Izany hoe arakaraka ny hitomboan’ny Fiangonana, vao maika miha-mavesatra hatrany ny asan’ny Mpitandrina. Satria isika be dia be ireo, ianareo be dia be ireo dia mankany amin’i Pasitera avokoa : « Pasitera ô, mba ento am-bavaka moa ; Pasitera ô, izao ny olana, Pasitera ô, misy an’izao ». Dia indraindray aza ny Mpitandrina, na dia am-pisakafoanana aza, ary inoako marimarina fa Pasitera Solofo dia tsy anisan’ilay mpamono telefaonina lava ka sarotra antsoina ; satria izahay mirahalahy izany izao, rehefa miantso azy aho, na andro na alina, dia mamaly izy. Indraindray ataoko amin’ny fotoana tsy ampoipoiziny, dia mamaly izy. Ny dikan’izany, tena ao tsara izy izany, mandeha tsara ny fifandraisana, fa tsy mba tahaka ny hafa. Ka na dia eo am-pisakafoanana aza indraindray ny Mpitandrina, milatsaka ny telefaonina : « Pasitera ô, misy problème izao izao, ny tanana anankiray mampiditra sakafo, ny anankiray sady : « manao ahoana tsara ? ». Satria any amin’azy avokoa, any amin’ny Mpitandrina no mifatratra ny zavatra rehetra. Ary izay no mahatonga antsika Fiangonana mahatsiaro mba manome, na dia indray mandeha ao anatin’ny taona aza, tsy vitan’ny hoe ny fanomezana hita maso azo tsapain-tanana ihany, fa ny zava-dehibe, ny mba hitrotroana am-bavaka, satria ny Mpitandrina mandrakariva dia mamoaka ihany, mizara ihany, manome ihany ; fa amin’ny indray mitoraka tahaka an’izao, mba mitondra am-bavaka izany isika, fampaherezana ho an’ny Mpitandrina. Dia arak’izany, miodina mafy izany izao ny compteur satria mandeha ny asan’Andriamanitra. Raha ianareo izany manao vitesse hoe 5km/heure ; fa ny an’ny Mpitandrina mandeha 50km/heure ny fieritreretany ny asan’Andriamanitra, hoe : ahoana ny amin’izao, inona no atao ? Ireto ny tetik’asa, ireto ny programa, ahoana ny fitoriana filazantsara ? Inona ny antsika ? Manentana ny Fiangonana ny amin’izany.
Ary tsy izay ihany ry havako malala, fa izaho manokana dia resy lahatra tokoa satria tena mampandroso ny Fiangonana, ary raha mba misy ato anatin’ny Fjkm, manana vision, manana fijery tahaka ny mpanompon’Andriamanitra eto amintsika, zava-dehibe izany. Tsy mampaninona ahy miteny an’ity zavatra ity izay nitranga teto Antananarivo, ary mahaontsa, mahonena ny toe-tsain’izany Fiangonana izany. Indray mandeha, notendren’ny Foibe Fjkm ny tenano hanao stage tamin’ny Fiangonana teto Antananarivo izany. Rehefa noentina ny taratasy fanendrena : « ity no manendry ahy tompoko ho stagiaire ato aminareo mandritra ny 3 volana ». Dia nijery tsara ahy ilay biraom-piangonana nandray ilay taratasy. Tombanany mihitsy aho ; tombanany tsara, mijery ambony, mijery ambany, ohatrany hoe hafahafa aho izany, tsy mitovy ny fahitany matetika ao anatin’ny Fiangonana. Dia ny farany nanontany azy aho : « azafady tompoko, misy inona moa eo amiko eo ? ». « An an an, tsy izany Pasitera, fa tena ohatrany hafahafa » hoy izy. « Hafahafa manao ahoana » hoy aho, « ambarao ny marina fa aza afenimpenina. Tandremo sao dia mandainga ianao » nambarako azy tamin’izany fotoana izany, « tahaka an’i Ananiasy ka ho faty eto androany ». « Izao hoy izy : ity Fiangonanay ity, Fiangonanay, fa tsy Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ; ity Fiangonanay ity, indrindra fa ao amin’ny alitaranay ao Pasitera, tsy iakaran’ny olona ngita volo tahaka anao io ». Izany, zavatra niainana teto izany, teto Antananarivo. Hoy aho : « misaotra anao fa i Jesoa, na dia malama volo aza dia ny filazantsara, nomeny ho an’ny olona rehetra ». Dia nandeha ny asa, ary nisaorana Andriamanitra, nandeha ny fifandonan-kevitra teo aminay, rehefa niala teo amin’ilay Fiangonana izahay, dia isaorana Andriamanitra fa nanome izy, fa dia heverina fa tsy vola be tamin’izany fotoana izany, tamin’ny 2007 izany, dia mba ngezangeza ihany ; dia hoy aho hoe : « tena misaotra anao Pasitera fa voaray ny hafatra ary izaho mihitsy manomboka izao, hijoro hanafoana izany fanavakavahana izany ». Voaray ny hafatra hoy izy. Ny tiako ambara ry havako malala, vitsy, misaotra anao Pasitera, vitsy ny Fiangonana eto aminareo an-tanan-dehibe, ka fotoana tahaka an’izao, na andavan’andro, handeha hitady Pasitera avy any amin’ny sisiny, avy any anaty mokonazy any, avy any anaty akata any, vitsy. Tena misaotra anao Pasitera satria noravanao izany izao, tamin’ny alalan’ny fandraisana an’i Jesoa Kristy ; ary rava noho ny amin’i Jesoa Kristy ny amin’ny hevitry ny fisarahana, rava ry havana. Zava-dehibe izany : mahereza ianao Pasitera. Fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izao asa mahagaga ataon’Andriamanitra, ary indrindra koa, nahatongavan’ity namako ity eto amintsika. Mitsangana ianao Rakotoarison Paul. Rava ry havana, rava ny hevitry ny fisarahana eo amin’ny Fiangonana fa hoe ny fivavahana dia an’ny ampovoan-tany ihany, ny fivavahana dia an’ny Merina, an’ny Ova. Fa izao dia iraisantsika ny famonjena, antsika ny famonjena. Tsy misy tahaka an’izao. Ambarako aminareo izany. Fa tena zava-dehibe, ary maha-ontsa izany ho an’ny olona izay mbola miaina, mampisaraka na mamakivaky ny Fiangonana. Satria mandroso ny Fiangonana, hitantsika tsara ; fa hatrany amin’ny sisiny any, hiezaka isika, isika hoy aho, isika Fjkm, amin’ny alalantsika Isotry Fitiavana mandeha manorina Fiangonana any amin’ny sisiny any. Eritrereto hoe raha nidin’ Pasitera Solofo ny robinet amin’izany, ianareo koa tsy afaka nihetsika e ! Ianareo tsy afaka nanao n’inon’inona. Raha nidiny ny robinet hoe isika tsy mahazo mivoaka eto Isotry Fitiavana, isika eto ihany, eto foana isika, tsy afaka mandeha izany. Fa matoa izany afaka nanangana Fiangonana maro samihafa any amin’ny sisiny, nanaiky izy izy satria resy lahatra ny amin’ny famonjena ihany koa ny olona izay latsaka an-kady, mila fanafahana. Noho izany ry havana malala, tena zava-dehibe ami’ny fiainan’ny Fiangonana ny mampandroso ny fandraisantsika ny tenin’Andriamanitra. Ary zava-dehibe, rehefa tena raisinao ny tenin’Andriamanitra, dia izay tenin’Andriamanitra ambara sy lazaina izay no manosika antsika amin’ny asan’Andriamanitra, amin’ny asa samihafa. Izany no mahatonga ny Soratra Masina miteny, rehefa atao batisa isika : fa zanak’Andriamanitra avokoa izany ao amin’i Kristy Jesoa : tsy misy intsony na jiosy na grika, na andevo, na tsy andevo, na lahy, na vavy. Fa maninona ? Iray ihany isika rehetra. Avy amin’i Pasitera Solofo arak’izany dia tafatambatra isika, mitambatra ny Fiangonana ry havana malala. Ary raha ambara hoe mandroso, ny 10 taona lasan’ity Fiangonana ity, heveriko marimarina fa tsy tahaka ny ahitantsika azy ankehitriny. Ny 10 taona lasa, tsy mitovy amin’ny ahitantsika azy ankehitriny. Satria tsy mieritreritra ny amin’ny tombony ny mpanompon’Andriamanitra fa mieritreritra ny tombontsoan’ny Fiangonana, ary efa mijery ny amin’ny ho avin’ny Fiangonana any lavitra ela indrindra, rehefa mijery izany. Ka raha ho avy ny fotoana, tsy maintsy ho retraite i Pasitera Solofo, fa nahatanteraka ny fihazakazahany araka ny nambara teo izy, ary zava-dehibe no nataony. Ary ho tadidy izany ; mba anisan’izany i Pasitera Solofo mivady izay nandalo tamin’ity toerana ity. Ary izay ambarany, dia raisina am-pitiavana .
Fa izao no zava-misy : raha ambara hoe mitondra ny tenin’Andriamanitra isika ry havako malala, indraindray adinontsika ny voalaza eo amin’ny and. 12 : « Ary toy izany ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra ». Ny mpanompon’Andriamanitra araka izany, dia mieritreritra mandrakariva, misaina hatrany hatrany ny amin’ny hampandroso ny Fiangonana. Satria rehefa mandroso ny Fiangonana, dia izay no tadiavin’i Jesoa, izay no ilain’i Jesoa amintsika ; ary rehefa Jesoa no ekentsika ho patron amin’izay atao rehetra, amin’izay fotoana izay ry havako malala, dia mametraha ianao alitara amin’izay, satria mpaminany isika, mpaminany ny Fiangonana, mpaminany ny olona tsirairay rehefa milaza mazava ny tenin’Andriamanitra, rehefa mandroso ny Fiangonana, any amin’ny toerana iasanao, asio alitara ao. Inona moa no dikan’ny alitara ? Fitondrana ny tenin’Andriamanitra, fanambarana ny tenin’Andriamanitra. N’aiza n’aiza toerana misy anao, ataovy fantatry ny olona fa ianao dia mitondra mazava ny tenin’Andriamanitra ary manambara mazava ny tenin’Andriamanitra, mampandroso ny Fiangonana. Fa aza manao tahaka an’ity tantara kely anankiray ity ry havako malala. Nisy patron anankiray, tena mafana izy amin’ny fivavahana, tena mazoto tsara izy mivavaka, rehefa aty am-piangonana, tena hitanao fa tena anjely ; tsy hoe anjely latsaka an-tany, fa anjely. Ny anjely latsaka an-tany mantsy devoly. Fa ity rangahy ity, tena mpivavaka mahafinaritra izy, fa rehefa tonga any am-piasana, tena kizitim-belona. Ka izy manana mpanampy izany, secrétaire-ny miara-miasa aminy, Zety ny anarany. Ary fanaon’ity patron ity, rehefa miasa, mahavantana azy, zatra izy manao stylo eo amin’ny sofiny. Indray mandeha, nisy asa maika be tsy maintsy nataony. Nokitakitainy i Zety hoe : « o ry Zety an, aiza moa ny stylo-ko teo nanaovanao azy ? ». « Azafady patron, ny stylo-nao, io amin’ny sofinao ». « Aiza tsara Zety ? ». « Io amin’ny sofinao patron ». « Izany no ataonareo ka, ny stylo dia any amin’ny sofiko any no mipetraka », nefa izy no nanao an’izany. Izy ihany no manao ny ataony, i Zety no mitondra faisana. Tsy mety izay. Fa rehefa miainga avy aminao ny fahadisoana, ekeo izay ry havana. Ary izay no maha-samy hafa ny mpanompon’Andriamanitra, ny mpaminany marina, miaiky ihany koa izy fa tsy tanteraka ary izay no mahatonga azy milona am-bavaka sy mivavaka amin’Andriamanitra mangataka hery mba tsy handeha amin’izao fotsiny ny asa tanterahina. Tsy maintsy milona am-bavaka. Ary matoa izahay ohatran’izao, na dia eo aza ny fanohananareo Fiangonana, ny anay izany ohatrany asiana gaine foana izany ny kibonay. Fa maninona ? Tsy mety mba miakatra be tahaka ny an’ny sasany fa eo amin’ny antonontoniny eo foana. Satria ankoatra izay ahitanareo anay ohatran’io izany, ao anatin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, mivavaka mandrakariva, manao ny aina tsy ho zavatra. Izay no nambara indray mandeha hoe : ireny mpanompon’Andriamanitra ireny, marina ny tenin’Andriamanitra hoe hatavezina izay tena mahatoky an’i Jehovah. Fa ho an’izay efa botrefona loatra, vondraka loatra, raha tena mpaminany izy, mampanontany tena hoe sao dia mba laniny ny ronono tokony ho any amin’ny zanak’ondry.
Noho izany ry havana malala, zava-dehibe hoy aho teo ny amin’ny asan’ny mpaminany izay tsy matory andro aman’alina, mitrotro am-bavaka antsika. Koa raha ho fintiniko ny hafatra, dia izao, hoe : voalohany, satria lavalava izy teo, hoe : ny mpaminany tena izy dia manambara mazava ny tenin’Andriamanitra. Ka na ny Mpitandrina, na izaho, na ianao, isika rehetra : ambarao mazava ny tenin’Andriamanitra amin’ny olona ; ary ny tenin’Andriamanitra, tsy iza akory fa Jesoa Kristy. Izy ilay tenin’Andriamanitra tonga nofo ; izy no ambarao amin’ny olona. Ary raha tsy manambara isika dia ho very ireny namantsika ireny. Ary tsy izay ihany, fa ny mpaminany tena izy dia mampandroso ny Fiangonana : izay no iezahany, izay no ilofosany. Ny jamba tsy fantatro, fa ho an’izay manana maso mahahiratra, dia mahita tsara ny ezaka ataon’ny Fiangonana ankehitriny eto amin’ity fitandremana Isotry Fitiavana ity, izay ambara fa holovain-jafy, holovain-janaka ny asa fampandrosoana ny Fiangonana napetraka teto. Ary zava-dehibe koa ry havana nambara tamintsika teo, fa rava ankehitriny, foana noho ny amin’ny mpanompon’Andriamanitra izay misaina ny amin’ny filazantsara, tsy mametraka intsont fanavakavahana hoy ity avy any amin’ny sisiny, ity avy amin’izao, fa isika, na dia maro aza, hoy ny Soratra Masina, dia tena iray ihany ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika. Koa ny mpanompon’Andriamanitra aza miezaka manao tahaka an’izany, vao mainka fa isika, isika izay hamafazana ny tenin’Andriamanitra : ataovy ho zava-dehibe ny amin’ny fiombonana, ny amin’ny fanambarana, ny amin’ny fitondrana, ny amin’ny fampandrosoana ny Fiangonana. Andeha isika hiaraka handroso hiaraka hitondra ny Fiangonana ho an’i Jesoa Tompontsika, satria Izy no lohan’ny Fiangonana.
Ny Tompo anie ry havana hitahy antsika amin’izany hafatra izany ka hahatonga antsika koa ho tena mpaminany tena izy ho an’ny Fiangonana ka hanambara mazava ny tenin’Andriamanitra ary hahatonga ny Fiangonana ho tena mpaminany tena izy , ka hahatonga antsika hampandroso ny Fiangonana. Ho Azy irery ny voninahitra, fa ho amintsika kosa ny fahasoavana. Amena
Sakafo Agape 2019 – 22 Septambra 2019
Alahady 22 Sept 2019
Jaona 15:7-8: "Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo".
Efa voalaza tsara ry havana hatramin’ny aninkeo maraina, fa Jesoa voaloboka, ary isika nataony sampana. Dia raha tsaroanareo tao amin’ny perikopa tao dia hoe : raha misy sampana tsy mamoa dia esorina izy, atsipy any an-tokontany izy, malazo izy, dia angonina izy, dia atsipy any anaty afo izy.
Nampieritreritra ahy, voambolana nampiasaina mpitoriteny momba ity Jaona 15 ity manazava an’izany, dia hoy izy hoe : tena catastrophe ny fiainana, tena catastrophe ; mazava ihany angamba izany teny frantsay izany , tena idiran-doza ny fiainana. Ilay toriteny amin’izao maraina izao ry havana, ilay fanontaniana apetraky ny Tompo amintsika amin’izao maraina izao dia hoe : SAO DIA CATASTROPHE NY FIAINANAO ? SAO DIA IDIRAN-DOZA IANAO ?
Mety hilalao téléphone ny voisin na voisine-nao rehefa mandeha kelikely eo, dia alohan’ny hilalaovany téléphone sy hivezivezen’ny sainy any an-kafa dia anontanio izy, mba ho tadidiny izay, hoe : SAO DIA CATASTROPHE NY FIAINANAO ? Andao ary, teneno ny voisin-nao hoe : SAO DIA CATASTROPHE NY FIAINANAO ?
Mety hoe ohatran’izao ny position sociale-nao sy ao am-piangonana, ary raha ny fijeinao ny fiainanao, tena mety ny fiainanao ; sanatria e, eo imason’Andriamanitra, araka ilay 5mn teo, izay mahafantatra ny ao am-ponao ao : SAO DIA CATASTROPHE NY FIAINANAO ?
Ary catastrophe ny fiainanao ry havana, rehefa jerena ity perikopa ity ; catastrophe ny fiainanao satria tsy mivavaka ianao. Izay io : catastrophe ny fiainanao satria tsy mivavaka ianao.
Zaraina 3 ny and.7 : « Raha miray Amiko ianareo » : izay ny fahamarinana 1 ; « ka mitoetra ao anatinareo ny teniko » : izay ny fahamarinana 2 ; « dia angataho izay tianareo na inona na inona fa ho tonga aminareo izany » : fahamarinana 3. Catastrophe ny fiainanao satria tsy mivavaka ianao, tsy mivavaka ianao :
1. Mba hitoetra ao aminao Kristy
2. Mba hitoetra ao aminao ny tenin’i Kristy
3. Satria tsy tia vavaka tsotra izao ianao
Diniho ihany ry havana o, SAO DIA CATASTROPHE NY FIAINANAO ? SAO DIA IDIRAN-DOZA ARA-PANAHY IANAO ?
Fahamarinana 1 : CATASTROPHE NY FIAINANAO SATRIA TSY MIVAVAKA IANAO MBA HIRAY AMIN’I JESOA
Izay moa no filazan’ilay and.7 azy amin’ny teny malagasy. Fa ery amin’ny and.4 hoe : « tomoera Amiko » ; raha ny teny grika sy teny frantsay, ilay and.7 dia mbola hoe : « raha mitoetra Amiko ianareo », « si vous demeurez en moi ». Tsy mivavaka ianao mba hitoetra aminao Kristy ry havana o. Satria nahoana ? Tsy mino ianao hoe Izy voaloboka, tsy mino ianao hoe Izy tena voaloboka. Hainao ao an-tsainao izany satria ianao mpianatra Sekoly Alahady, fa tsy mino ianao hoe tena voaloboka Izy. Iray izay. Ary tsy mino ianao hoe ny mpanamboatra io voaloboka io, araka ny and.1 dia hoe : Andriamanitra Rainao no mpamboatra. Sady tsy mino ianao, no tsy maka fotoana ianao hisainana an’izany hoe Jesoa tena voaloboka ary ny mpamboatra dia Andriamanitra Ray.
Ahoana moa izany ny karazana vavaka andrasan’ny Tompo amintsika, concrètement ry havana ? Karazana vavaka ohatran’izao, manao hoe : « Andriamanitra mpamboatra ô, akambano amin’i Jesoa voaloboka aho, akambano amin’i Jesoa aho, greffé-o amin’i Jesoa aho ». Tsy izaho no handeha hi-colle amin’i Jesoa ry havana ; asan’ilay mpamboatra izany. « Greffé-o miaraka amin’i Jesoa aho e. Amboleo miaraka amin’i Jesoa aho Ray malala ô ». Izany no fiandohan’ny fiainana kristiana : « greffé-o, amboleo miaraka Aminy aho. ». Raha maka sary tsotra ry havana : io izany ilay voaloboka, Jesoa ; io izany ilay foto-boaloboka : ny olona nivavaka ohatran’ny nataontsika teo hoe « greffé-o aho », aty an’anona aty izy ry havana, dia hoe ren’ny Rainy ilay teniny, dia alainy iny sampana iny dia greffé-ny. Izany no fiandohan’ny fiainana kristiana : greffé-ny eo, amboleny miaraka Aminy eo. Ary rehefa izay no mitranga, dia tena hoe misy firaisan’aina amin’i Jesoa. Jesoa tena fiainana, ampiraisina Aminy eo ianao, dia tena manana firaisan’aina. Azonao ve izany ry Fiangonana malala ô ? Izany no fiandohan’ny fiainana kristiana, izany no atao hoe finoana : tena firaisan’aina amin’i Jesoa ; tsy hoe firaisana fomba fivavahana, ary tsy hoe firaisana teny sy ny karazany, fa firaisana amin’i Jesoa. Satria miteny ianao, mivavaka araka ny sitrapony ianao, dia no-greffé-ny ianao, nakambany ianao, ary dia ampidininy ao aminao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izany hoe fiainan’i Jesoa izany ry havana o, ampidininy ao aminao. Ampidininy ao aminao ny fibebahana, ampidininy ao aminao ny finoana, ampidininy ao aminao ny fitiavana, ampidininy ao aminao ny fahamasinana satria ianao mivavaka hoe : « Ray mpanamboatra ô, greffé-o miaraka amin’i Jesoa aho ». Ary rehefa izay ry havana, dia ilay Fanahy manakambana iny, ilay Fanahy iny, manenika ny tenanao, manenika ny Fanahinao, ary dia tena hoe manana Fanahy, manana toe-panahy sitrak’Andriamanitra ianao. SAO DIA CATASTROPHE NY FIAINANAO SATRIA TSY MIVAVAKA IANAO HOE : « RAY Ô, GREFFÉ-O AMIN’I JESOA AHO ? ».
Fa tsy ampy izay vavaka izay satria ny tenin’Andriamanitra ry havana, eo amin’y and.4, hoe : « Tomoera Amiko ». Eo amin’ny and.4 izy hoe : « tomoera Amiko », eo amin’ny and.7 hoe : « raha miray Amiko » ; azo adika hoy aho hoe : « si vous demeurez en moi » : « raha mitoetra Amiko ianareo ». Ampiana ilay vavaka teo. Ilay hoe : « Greffé-ô aho Jesoa, greffé-o aho Ray malala ô, amboleo miaraka amin’i Jesoa aho Ray malala ô », ampio hoe : « Ary ampitoero ao amin’i Jesoa aho ». Aza greffé-na fotsiny, dia hoe miala ; ampitoero aho e, « Fais-moi demeurer en Jésus ». Tsisy asanao izany. Sao dia mieritreritra hoe izaho hanao Sefala, hanao Setela, izay faran’izay tsara, izaho hanao Fitela,non ! Fanapahan-kevitra, fahavononana, ary dia arahina vavaka. Izany ilay izy ry havana, izany ilay izy. Ary raha ny marina, eo izany ilay voaloboka, dia greffé-n’Andriamanitra mpamboatra ianao, greffé ianao izany, dia araka ilay teny teo, hoe : Izy no mihazona anao. Ilay 576 FFPM mantsy manao hoe : Hazony tokoa raha tsy maha-hazona Anao. Fa Izy no mihazona ka mampitoetra anao Aminy. Fahagagana ry havana izany, fahagagana izany. Misaotra an’Andriamanitra ny amin’ny ahazoantsika mifampizara an’izany ; ary mazava be izany teny izany, tsotra be izany teny izany. Mivavaha e, mivavaha e, mivavaha e, manomboka izao, fa Izy izay ni-greffé anao, rehefa greffé ianao ry havana ô, dia tohizany ilay asa tsara : mampitoetra anao amin’i Jesoa Izy na iza na iza ianao. Mampitoetra anao amin’i Jesoa Izy.
Fa izao kosa anefa, mazava be izay : manapa-kevitra aho, manatona aho, mivavaka aho ; izay voalaza teo koa tamin’ny louange, hoe : tsy maintsy mivavaka amin’ny finoana. Ny finoana eto, ilay vavaka atao amin’ny finoana eto, ilay finoana eto dia hoe : fo minia hitoetra ao amin’i Jesoa. Izay kosa aloa e : raha tsy minia hitoetra ao amin’i Jesoa ianao, Andriamanitra tsy hanakambana anao izany. Fo minia hitoetra ao amin’i Kristy. Ny finoana dia hoe : fo te hifikitra. Satria manana safidy isika ry havana ô : fa rehefa tsy minia hitoetra ianao, rehefa tsy mifikitra ianao, ho catastrophe ny fiainanao ry havana, ho catastrophe ny fiainanao, hidiran-doza ianao. Hidiran-doza ohatran’iza ? Ohatran’i Jodasy ianao, izay mba isan’ny mpianatry ny Tompo ihany, mpikambana tamin’ny antokon’izy 12 lahy, kanefa tsy nanana firaisan’aina tamin’i Jesoa. Ary dia tsy namoa finoana izy, tsy namoa fibebahana izy, tsy namoa fitiavana izy, tsy namoa fahadiovana izy, dia nesorin’ilay mpamboatra. Ary rehefa Andriamanitra mpamboatra, rehefa Andriamanitra no manala, dia fahafatesana sy fahaverezana, fahaverezana mandrakizay no anjaran’izany olona izany ry havana ô.
Ary ny amin’izao fahamarinana 1 izao, ny zavatra tsindrina farany araka ilay texte io dia izao : rehefa mivavaka aho hoe greffé-o, rehefa mivavaka aho hoe ampitoero amin’i Kristy Ray malala ô, dia mivavaka aho, ary ity tsy zakan’ny olona, mivavaka aho hoe : Ray malala ô, raha izany ary, amboary aho ; misy naoty kely hoe : diovy aho. «Amboary aho, diovy aho ». Izany ny vavaka ampianarina antsika ry havana ô. Mety tsy mahay teny malagasy ianao, mety tsy mahay ilay vavaka ady rima ireny ianao, fa fantatrao izao ny antom-bavaka andrasan’ny Tompo aminao isan’andro isan’andro, ary hanokanana fotoana, fa tsy atao zara fa vita ry havana ô. Hanamarina fiovana ianao e. Dia tsy ho catastrophe ohatran’io intsony ny fiainanao eo imason’Andriamanitra.
Teneno ny Rainao hoe : « Mpamboatra malala ô, amboary aho. Izaho miteny Anao hoe amboary aho, fantatro fa antsy no fitaovana fanamboaranao ny voaloboka sy ny sampany ; fantatro fa antsy ; fa amboary aho e ! Amboary aho. Ary ianao mahafantatra loatra izay tokony anamboarana ahy, amboary aho, amboary aho fa manaiky aho na marary aza izany. Amboary aho ary valio vavaka aho ».
Ianao mandinika ny fiainanao, kristiana marina, disciple. Izany ny fanazavana ny fiainanao hoe ozonin’ny fahoriana lava ry havana ô. Fahoriana miampy fahoriana, fakam-panahy miampy fizahan-toetra, izany ny fiainanao. Zavatra mangirifiry, zavatra mafaitra ; ary rehefa miasa ilay Rainao mpamboatra anao, dia mandratsana ; indraindray ny zavatra tianao indrindra no esoriny aminao mba ho fantany hoy Izy no tianao amin’ny fitiavana voalohany, fa tsy iny zavatra nesoriny taminao iny.
Mivavaha ry havana ô, mivavaha, fa izany no fivavaky ny olona mahafantatra fa masina ny Tompony, ary te hanompo Azy amin’ny fahamasinana. Meteza amboarina. Indraindray rehefa mitontona ilay fanamboarana, tsy takatrao hoe mankaiza sy mankaiza izany fiainako izany! Fa fantaro fotsiny e : Andriamanitra Rainao io, Andriamanitra tsy manao kitoatoa, ary iny antsy iny, eo an-tanan’ny Ray izay tena tia anao.
Izay ny fahamarinana 1 : tsy mivavaka ianao hoe : « Ray ô, ampitoero amiko Jesoa ».
Fahamarinana 2 : CATASTROPHE NY FIAINANAO SATRIA TSY MIVAVAKA IANAO MBA HITOETRA AO ANATINAO NY TENIN’I JESOA
Ny vavaka faharoa ry havana ianao : tsy mivavaka ianao mba hitoetra ao anatinao ny tenin’i Jesoa. Mbola miteny aminareo ihany, miteny manokana e, aminareo izay tsy manokatra Baiboly afa-tsy indray mandeha isan-kerinandro ny alahady, et encore, aty am-piangonana ary tsy tonga mitondra Baiboly akory : ovay izany e, ovay izany e. Izany ny marika hita maso sy azo tsapain-tanana fa catastrophe ny fiainanao, catastrophe ny fiainanao eo imason’Andriamanitra ry havana ô. Izay ilay fahamarinana izany, hoe : tsy mivavaka ianao mba hitoetra ao anatinao ny tenin’i Jesoa.
Ahoana ny fandehan-javatra ry havana eo amin’ny tontolo ara-panahy? Andriamanitra mpamboatra, iray izay ; haintsika izany : Izy no tompon’ny teny, Izy no manome ny teny antsika sampana ; ary Izy ihany no hampitoetra ny teniny aty anatiko, ao amin’ny foko, ao amin’ny fanahiko. Ary izany no antom-bavaka ry havana ô : misaora an’ilay mpamboatra ny amin’ny teny omeny anao, ary angataho Izy hoe : « Ray malala, ampitoero ato anatiko izany teny izany ». Fa Izy mpamboatra, mandefa ny Fanahiny mitarika ahy hamaky teny, mamboly ao amiko izany hoe hetaheta sy fifaliana, fahafinaretana mamaky teny izany. Ary dia mitombo ilay teny, mampitombo an’ilay fahafinaretana sy ilay hetaheta ilay teny ; satria iny teny iny araka ny lazain’ny Soratra Masina, hoe : ity tenin’Andriamanitra ity dia Fanahy sy fiainana ; Fanahy sy fiainana. Dia ilay teny Fanahy sy fiainana, mampitombo antsika amin’ny famakiana, amin’ny fihainoana, amin’ny fandinihina Soratra Masina. Efa tena zava-dehibe izany ry havana. Fa mihoatra noho ireo ny Fanahy Masina ry havana : mitarika antsika ho amin’ny fankatoavana ny teny. Ny Fanahy Masina dia mitarika antsika ho amin’ny fankatoavana ny teny. Jereo kely anie ny fihirana FFPM 201, ny andininy faha-3, misy an-dalana volamena ao : io Fanahy Masina angatahintsika mandrakariva : « Fanahy Masina ô! Tariho izahay Hanaiky ‘zao ». Izany ry havana ô. Io tenin’Andriamanitra io, tsy hoe vakiana, henoina, fakafakaina, ianarana, dinihina ; non. Ankatoavina io, ankatoavina io ry havana ô. Ary dia hoe mianara mivavaka ny Fanahy : « Tariho aho hoe, ho amin’ny fankatoavana ». Ary rehefa mivavaka ohatran’izany isika ry havana, hoe : « ampitoero ato anatiko ny teny, tariho amin’ny fankatoavana aho », hanamarina ianao fa mamy io tenin’Andriamanitra io araka ny tenin’ny mpanao Salamo : Mamy toy ny tantely ; araka ny tenin’ny mpaminany, tena mamy e, io teny io. Ary dia hanjary teny ivelomana, hanjary teny iainana. Ary rehefa izany, dia hameno ny fonao. Mampalahelo ry havana mahita olona manana cahier feno tenin’Andriamanitra nefa tsy iainana. Fa ilay teny ankatoavina : mameno ny fonao ; ilay teny ankatoavina : mamolavola ny fanahinao, mameno ny fonao sy ny fanahinao, fa tsy mameno ny sainao fotsiny e ! Izay ilay izy. Aleo mankatoa amin’ny zavatra kely, toy izay feno fahalalana tsy ankatoavina ; hitondra anao any amin’ny catastrophe izany, io fahalalana be tsy iainana, tsy ivelomana io ry havana ô. Fa reehfa hoe miasa ao aminao ny Fanahy, mitarika ho amin’ny fanekena, ho amin’ny fankatoavana, inona ny zavatra mitranga ? Ny zavatra mitranga : hanana fifandraisana velona amin’i Jesoa velona ianao. Ary dia hanana antoka ianao ny amin’ny famonjenao. Isaky ny mifoha ianao ny maraina, handeha hatory ianao ny hariva, n’inon’inona fiainanao : ho faly ianao satria hoe : « fantatro fantatro fa voavonjy marina aho e. Sedraina ohatran’izao aho androany, fa tena fantatro e, j’ai l’assurance dy salut ». Firy amintsika no manana an’izany assurance du salut izany ? Firy, firy, firy ? Nefa araka ilay lohahevitra amin’ity hoe : fanompoana ohatran’izao, ohatran’izao mameno fiainana nefa olona tsy manana assurance du salut, no mandeha manompo ohatran’izany ry havana ô. Ary rehefa tarihin’ny Tompo ho amin’ny fankatoavana ianao, satria mitoetra aoa anatinao ilay teny, mifamatotra izany ry havana, dia ho fantatrao, dia ho fantatrao Jesoa : ho fantatrao intimement, hanana intimité, hanana fahalalana lalina ary tena faran’izay akaiky amin’i Jesoa ianao.
Fantatrao moa fa ity hoe : « Izaho no voaloboka » na « Izaho no tena voaloboka », ilay « Izaho » milaza an’Andriamanitra izy io, hoe « Je suis », ilay Andriamanitra nanambara ny tenany tamin’i Mosesy tary amin’ny Eksodosy 3:14 : « Izaho ilay izy », « Je suis ». Rehefa miteny Jesoa eto hoe : « Je suis », dia hoe « Andriamanitra Aho ». Fa fantatrao moa fa ato amin’ity filazantsara araka ny Jaona ity misy « Je suis » im-pito ? Tsy te hanalava fotoana aho, fa tononiko fotisny ilay izy ry havana ô, ary ity no faha-7, ity voaloboka ity :
1. Izaho no mofon’aina (Jaona 6)
2. Izaho no fahazavan’izao tontolo izao (Jaona 8)
3. Izaho no vavahadin’ondry (Jaona 10)
4. Izaho no Mpiandry tsara (Jaona 10)
5. Izaho no fananganana ny maty sy fiainana (Jaona 11)
6. Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana (Jaona 14)
7. Izaho no tena voaloboka (Jaona 15)
Ka rehefa mitoetra ao anatinao ny tenin’Andriamanitra, dia fantatrao amin’ny antsimpirihany Jesoa, hoe : Ilay mofon’aina manome fahafaham-po ny hetahetanao rehetra, Ilay fahazavana ho anao mba tsy toy ny hiraparapa ao anatin’ny aizina ianao ao amin’ny fiainanao, Ilay vavahadin’ondry idirana hankanesana any an-danitra ry havana ô, Ilay Mpiandry tsara miahay anao mba tsy hanan-java-mahory ianao ary miaro anao amin’ny bibidia toy ny any an’efitra, Ilay fananganana ny maty sy fiainana : ianao catastophe, rava ny fiainanao, rava ny tokantranonao, simba ny asanao : hanangana anao amin’ny maty Izy e, hanarina izay mety faharavana rehetra, raha mitoetra ao anatinao ny teniny. Izany ilay izy ry havana ô. Ary lalana sy fahamarinana ary fiainana : tsy ao anatin’ny fahadisoana ianao, tsy ao anatin’ny lainga ny fiainanao ary tena voaloboka, araka ilay voalaza teo hoe mampita aminao ny fiainany mihitsy, ny maha-izy Azy.
Ry Fiangonana ô, ry Fiangonana ô, mivavaha, mivavaha, mivavaha mba hitoetra ao anatinao ny tenin’Andriamanitra arak’izay. Dia arak’ilay hira tsara be nataontsika tamin’ny louange teo, dia tena hoe ho hazon’aina, hazon’ny fiainanao rehetra Jesoa Kristy ry havana.
Ny fahamarinana 1 hitantsika teo dia hoe tsy mivavaka ianao mba hiray amin’i Jesoa ; ny fahamarinana 2 dia hoe tsy mivavaka ianao mba hitoetra ao anatinao ny tenin’i Jesoa.
Fahamarinana 3 : CATASTROPHE NY FIAINANAO SATRIA TSY MIVAVAKA IANAO SATRIA TSY TIA VAVAKA
Tsy mivavaka ianao satria tsy tia vavaka ianao. Isika rehetra mitovy : ny zavatra tiana dia atao daholo ; matoa tsy atao, tsy tiana izay. Tsy mivavaka ianao satria tsy tia vavaka ianao , dia catastrophe eo imason’Andriamanitra ny fiainanao.
Tsy tia mivavaka ianao, normal ange izany e ; normal izany satria sy mahazo valim-bavaka ianao ; dia normal be ianao tsy mivavaka. Izay ilay izy ry havana. Ary amin’izay lafiny izay tsy azo omena tsiny ianao. Fa rehefa hoe mivavaka ianao mba hiray amin’i Jesoa,rehefa hoe mivavaka ianao mba hitoetra ao anatinao ny tenin’i Jesoa, dia hoy Jesoa hoe : « angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany » - « angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany ». Fampanantenana volamena izany ; fa tsy mino an’izany ianao. Raha tsy izany ianao efa nivavaka. Tsy mino ianao e, raha tsy izany ianao efa nivavaka e ! Ary ny zava-doza, tsy mahazo an’izay angatahinao ianao, fa mitoetra ao amin’ilay catastrophe ianao, idiran-doza ianao. Efa fantatrareo fa ao amin’ny Tompo tsy misy elanelam-panahy an : na ianao ao Aminy, na ianao any amin’ny catastrophe sy any amin’ny fahaverezana mandrakizay. Izay ilay izy. Ary rehefa miteny ny Tompo ry havana ô, « angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany », tsy olona Izy ka handainga hoy ny Soratra Masina, ary tsy mpanao politika akory Izy ka hanao fampanantenana paokaty, tsy hainy tazonina. Fa izay ambarany, izay ampanantenainy dia efainy ry havana ô ; fa ianao mihitsy, ianao mihitsy no tsy mino an’izany teny fampanantenana hoe : « angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany ». Ary normal raha tsy mino ianao, satria araka ny teny teo : tsy mitoetra ao aminao ny Tompo, tsy mitoetra ao anatinao ny teniny, tsy mivavaka ianao. Ary ny tena zava-doza anie, ny mampalahelo dia izao e : désespéré ianao, deséspérée ianao amin’ny fiainanao. Kivy ianao, ketraka ianao, leo ny fiainanao ianao, mila hamohy fo ianao. Tia anao ny Tompo e, tia anao ny Tompo, ary mbola te hampieritreritra anao Izy hoe : miovà, miovà, mivavaha. Mampahery ry havana, rehefa misy hoe mpanompon’Andriamanitra mandalo ao aminao, mifanena aminao, mi-téléphone aminao, hoe : « Pasitera ô, tsaroan’i Pasitera moa ilay vadiko ilay tany amin’ny hopitaly, dia nandalo Pasitera nanatitra vavaka ; dia ny ampitson’iny nandalo ny dokotera dia gaga loatra izy tamin’ilay fihatsarana. Izy nandray azy, hita eny amin’ny endriny na tsy nivaky aza izy, hoe ohatrany ratsiratsy ihany ity an ». Izay, mampahery ny mandre an’izany. « Misaotra Pasitera an, tamin’ilay zanako tonga tao amin’ny birao-nao hivavaka alohan’ny examen, fa afa-panadinana avec mention izy ». Izany io Andriamanitra io ry havana ô : mihaino vavaka Izy, mihaino vavaka Izy.
Ry havana ô, ry havana ô, ny Rainao izay mpanamboatra, araka izay efa nolazaintsika hatrany am-boalohany, Jaona 15, ny Rainao hamboly, hamboly e, hamboly, raha sitrakao, ao am-ponao, ny fitiavam-bavaka. Hamboly ao am-ponao ny fitiavam-bavaka Izy. Ary hampitombo ny fanahinao amin’ny fanahafana ny Fanahin’i Jesoa Kristy. Ary rehefa miakatra tahak’izany ny vavaka ataonao, dia toy ny vavaka ataon’i Kristy amin’Andriamanitra Rainy sy Rainao, dia ho valiana vavaka ianao. Ho valiana vavaka ianao n’inon’inona angatahinao. Ary rehefa izany, tonga amin’ny fanatanterahana ny and.8 hoe : mamoa be ianao, mamoa be ianao. Ny sasany mihetsiketsika e, ny sasany mikofokofoka eo, fa ohatran’ilay aviavin’i Betania, mandravona be fotsiny, fa tsy misy voa. Azo atao angamba ny manangana sampana hoe aviavin’i Betania, izay no sampana maro an’isa indrindra fa sûr aho, ary tsy ato ihany fa any an-kafa koa. Izay, fa tian’ny Tompo ovaina izany ry havana, tian’ny Tompo ovaina izany. Rehefa izany mantsy dia hoe mamoa isika, mamoa be isika, mamoa finoana isika, mamoa voa mendrika ny fibebahana isika, mamoa fahamasinana isika dia miha-mendrika ny atao hoe mpianatra, disciple isika ry havana. Ary faly aho milaza aminareo Fiangonana : izany no ianaranay, application an’izany no ianarana ao amin’ny Ecole des Disciples Isotry Fitiavana. Ary amin’izany ry havana ô, rehefa miha-mendrika ny mpianatr’i Kristy ianao, dia hoe miaraka amin’i Jesoa ianao, miara mikendry Aminy ny fankalazana an’Andriamanitra Raintsika ; fa rehefa tsy izany, averiko aminao e : catastrophe ny fiainanao.
Faranana ny teny ry havana : nanomboka ny asa nanirahan’ny Rainy Azy tety an-tany Jesoa Kristy dia niteny Izy hoe : « Avia, manaraha Ahy ». Ilay fanarahana moa hoe, avia, meteza ho mpianatro. Tany am-piandohana Izy nanao hoe : « Avia, manaraha Ahy » ; aty am-pamaranana, satria ny Jaona 15 ao amin’ilay alina anaovany veloma ny mpianany ; aty am-pamaranana ny fiainany, dia miteny Izy hoe : « Tomoera Amiko ». Ary didy izany ry havana ô. Didy izany. Tsy tiantsika nny didiana amin’izao fotoana izao, fa didy ny hoe : « Tomoera Amiko ianao ». Ary aza manahy, ny Rainao, Ray tena tia anao ao amin’i Jesoa Kristy no mpanamboatra : atolory Azy ny rehetra momba anao, atolory Azy ny momba anao rehetra e. Hoyny toriteny teny frantsay izay, hoe : « Abandonne-toi à lui, abandonne-toi à lui ». Ento eo Aminy ny tsy fahatanterahanao rehetra, ento eo Aminy ny tsy fahamarinanao rehetra, ento eo Aminy izay mahaloto anao rehetra, ento eo Aminy ilay totale incapacité anao ho amin’izany fahamasinana izany, ento eo Aminy io koliloly be, io kolikoly kely mamatotra anao io ; ento eo Aminy, ento eo Aminy izany ry havana ô, dia hanao zavatra mahagaga ao amin’ny fiainanao ianao ary hijoro vavolombelona ianao hoe : ry havana, tamin’ny Alahady 22 Septembre 2019 no nifindra niala avy any amin’ny catastrophe ny fiainako ho any amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.
Commentaires récents par FJKM Isotry Fitiavana
Pas de commentaires par FJKM Isotry Fitiavana encore.



