Messages récents par FJKM Isotry Fitiavana

ALAHADY 29 DES 2019

« Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin'i Arona sy ny zanany hoe: Izao no teny ho entinareo mitso-drano ny Zanak'Isiraely: Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao; Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao; Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana. Dia hametraka ny anarako amin'ny Zanak'Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy ». Nomery 6 :22-27

Ilay hoe : « hametraka ny anarako amin’ny Zanak’Isiraely izy », ilay mpisorona izany, i Arona sy ny zanany izay didian’Andriamanitra hitso-drano ny isiraelita, dia hoe : isaky ny mametra-tanana izy mametraka tso-drano, dia mametraka ny anaran’i Jehovah eo amin’ny Zanak’Isiraely, ary Jehovah hitahy azy.
Izao ry havana no azo amintinana ny hafatra ho antsika Fiangonana amin’izao Alahady farany amin’ny taona izao, dia ny hoe : KRISTIANA VE IANAO, SA MODY KRISTIANA ? Tsotra be izany. KRISTIANA VE IANAO, SA MODY KRISTIANA ? Ilay tena kristiana manko an, araka io teny io, manana ny anaran’i Kristy ry havana ô, voasoratra, voasikotra ao amin’ny fony, ao amin’ny sainy, ao amin’ny fanahiny, ary izany no mamaritra ny fiainany. Fa ilay mody kristiana, miala tsiny aho milaza an’izany, izaho manana namana mody pasitera, ary misy ny mody kristiana : tsy manana an’izay anarana izay izy ao aminy, fa hainy ny fomba ivelany, hainy ny manaty rakitra sy ny karazany. Ry havana ô, manontany anao ny Tompo hoe : KRISTIANA VE IANAO, SA MODY KRISTIANA ? Ary izay no tombon’io tso-drano io. Tsy dia hoe akory hoe tokony io no atao isan’Alahady, tahaka an’i Jesoa niteny hoe rehefa mivavaka ianareo dia izao dia izao no vavaka atao hoe : « Rainay izay any an-danitra… ». Azo atao nny manao vavaka hafa, tonom-bavaka hafa araka izay hitarihin’ny Fanahy, fa modely- na tso-drano ity. Ary isaky ny manonona an’io Arona, isaky ny manonona an’io ny mpitondra fivavahana, amin’iny fotoana iny izy, hoy Jehovah, dia manoratra amin’ny Fiangonana, ary manoratra amin’ny mpiangona tsirairay ny anaran’i Jesoa ry havana ô. Henonao ve izany e ? Ary manao parenthèse kely ihany aho an, ezahina fintinina ny fotoana moa izany ry havana, fa indraindray misy raharaha tsy azo anoharana ihany, dia somary lava ; fa ianao izay mandeha alohan’ny tso-drano io izany, somary maty antoka ianao an. Tsy voasoratra ao aminao, noho ilay fandehananao handeha hamonjy adidy iny ry havana ô, ny anaran’i Jesoa, ary dia ny risque rehefa ohatran’izany, rehefa manamaivana ny tso-drano ianao, dia mody kristiana ianao. Fantatra ianao fa mpivavaka ato Isotry Fitiavana, na any an-kafa e, fa tsy kristiana ianao ry havana ô, tsy kristiana. Ary ny tenin’i Jehovah dia hoe : « hametraka ny anarako amin'ny Zanak'Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy ». Tsy misaraka ireo, mifamatotra ireo. Ilay mpitondra fivavahana mametra-tanana, manome tso-drano, ary Jehovah mandrotsaka ny fitahiany amin’iny fotoana iny. Ry havana ô : kristiana ianao, sa mody kristiana ?
Ilay hira teo efa nilaza, namaritra ny tena olona, ny tena olon’Andriamanitra, hoe kristiana ka mpanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra e. Ary izany, efa haintsika tsianjery izany ry havana ô, izany efa haintsika tsianjery. Ilay hoe : « hametraka ny anarako amin'ny Zanak'Isiraely izy », sahala amin’ny hoe : Andriamanitra miteny hoe io, dia ahy io, propriété privée-ko ity, ity, ity. Izany ny fikasan’Andriamanitra ry havana isaky ny hoe ilay mpitondra fivavahana mametraka anarana : propriété privée-ko io hoy Andriamanitra, ahy io. Fa tsy izay no tena problema ry havana, fa ianao ve mahatsiaro hoe an’Andriamanitra ? Azy ve ianao ? Ny mpivady moa izao afaka miteny hoe : izaho an’ny vadiko ; ohatran’izay mantsy ilay izy. An’Andriamanitra ve ianao e ? Mahatsiaro hoe an’Andriamanitra ve ianao e ? Mahatsiaro tena hoe an’Andriamanitra tanteraka ve ianao e ? Sa an’Andriamanitra amin’ny ampahany ianao ? Izay no ahafantarana hoe kristiana ianao na mody kristiana. Tsy misy olona mahatsiaro tena hoe : eny e, an’Andriamanitra aho, na an’Andriamanitra amin’ny ampahany aho, ka afaka lazaina hoe kristiana ry havana ô. Ary rehefa tena hoe an’Andriamanitra tanteraka ianao : ny faniriany, ny sitrapony, izany no antom-pisianao sy antoky ny fiainanao, antoky ny fiadanana, antoky ny fahasambarana ry havana ô. KRISTIANA VE IANAO, SA MODY KRISTIANA ? An’Andriamanitra tanteraka ve ianao ka ny sitrapony amin’ny ambongadiny sy amin’ny antsipirihany, izany no ataonao ? Dia sambatra ianao, dia miaina fiadanana ianao, dia hitahy anao Jehovah.

Andeha ary ho jerentsika ireo karazana fitahiana tononina ao amin’ilay tso-drano ry havana. Voalohany indrindra, eo amin’ny and.24 : « Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao ». Marihina fa tononina amin’ny Fiangonana ny tso-drano, fa ny tsirairay no voakasika manokana amin’izany tso-drano izany. Izany no anaovan’ny Soratra Masina azy hoe : « Ianao ». Tany amin’ny tatitra carreau tany ry havana, rehefa mamangy anareo ny diakona, dia misy olona vitsivitsy nisy fotoana, olona vitsivitsy niteny hoe : Pasitera hoy izy, rehefa mitoriteny, aoka jo esoriny avy ao am-bavany io hoe « ianao » io, fa aleo izy hiteny hoe : « isika ». Azoko tsara ilay eritreritra e ! Mahitsy loatra ilay hoe « ianao » e. Fa eto, hoe : « hitahy anao Izy, ka hiaro anao ». Izany io ry havana ô. Ilay tenin’Andriamanitra natao handona fo, hanindrona. Hitahy anao Izy an, ka hiaro anao. Io moa izany dia hoe fitahiana amin’ny ankapobeany, amin’ny endriny anankiroa mahazatra : mitahy Izy, izany hoe mandrotsaka fitahiana, mandrotsaka soa ho anao avy any an-danitra. Zavatra positif izany : manisy soa anao Izy. Ary ilay endriky ny fitahiana iray dia fiarovana : hiaro anao amin’ny ratsy rehetra Izy. Mifaka amin’io daholo ry havana izay hoe firariantsoa ifanaovantsika rehefa amin’ny 01 Janvier. Mifamatotra amin’io daholo, hoe maniry soa ho an’ilay olona, ary ny Tompo hiaro amin’ny ratsy. Fa izao ry havana, fa izao : ny zavatra ampianarin’ny Tompo antsika dia hoe : ny loharanon’ny soa, ary ny tena mpiaro, dia Jehovah, na Jesoa. Ka ho an’ny olona ary ry havana, ho an’ny olona manantena an’izany fiarovana izany, dia inona no ataony ? Andeha anie jerentsika ao amin’ny Filipiana 4 e, Filipiana 4 :6 : « Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra ». Inona moa izany no atao ? Inona no andrasan’Andriamanitra amintsika ry havana, satria avy Aminy ny fitahiana rehetra ? Ary Izy manome toky antsika fa vonona hiaro antsika manomboka amin’ny 01 Janvier ka hatramin’ny 31 Decembre 2020, hoy izy hoe : mivavaha – mifonà – misaora. Izay ry havana ny lakle mamaha an’ilay fitahiana. Mivavaha – Mifonà – Misaora.
Izay ny fahamarinana 1 ho an’ny olona hoe tahian’i Jesoa ary arovany : mivavaha – mifonà – misaora.

Ny fahamarinana 2 ry havana dia eo amin’ny and.25 : « Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao ». Nahafinaritra ahy ny teny-na mpitoriteny anankiray izay, ilay hoe : « mampamirapiratra », hoe azo adika hoe : « hitsikitsiky lalandava aminao anie Jehovah ». Ary io hoe fampamirapiratan’ny tavany amintsika, amin’ny olona io ry havana, efa tena hoe fanirian’ny mpino hatry ny ela mihitsy. Jerentsika anie ny Salamo 119 :135 e : « Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao ». Tena efa hetaheta hita mandrakariva ao amin’ny tena olon’Andriamanitra ny hoe : «Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao ». Dia hoy isika hoe azo adika hoe mitsikitsiky, mampitsikitsiky an’Andriamanitra. Ny hafatra izany ry havana dia izao : ataovy antom-bavaka izany hoe hampitsikitsiky an’Andriamanitra aminao isan’andro izany, manomboka amin’ny 01 Janvier ka hatramin’ny 31 Decembre. Dia hoy ilay mpanompon’Andriamanitra izay hoe : raha atao anton-draharaha izany, dia hoy izy hoe : « mitodika aminao aho : hainao ve hoe inona izany mampitsikitsiky an’Andriamanitra izany ? Hainao ve hoe inona no mampitsikitsiky an’Andriamanitra ? Anontanio kely ilay voisin-nao hoe : « Fantatrao ve hoe inona no mampitsikitsiky an’Andriamanitra ? ». Be dia be ilay valin-teny amin’izany hoe « fantatrao ve ny mampitsikitsiky an’Andriamanitra izany ? », fa jerentsika ilay Salamo 119 :135 teo an, hoe : « Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao ». Rehefa manao ny didin’Andriamanitra isika, dia mampitsikitsiky an’Andriamanitra ry havana ô. Inona ary ny didy omen’Andriamanitra antsika amin’izao 29 Decembre izao ? Jerentsika indray ilay Filipiana 4 ry havana, Filipiana 4 :8, misy didin’Andriamanitra ihany koa ho antsika manokana : « Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany ». Raha lazaina amin’ny teny tsotra ry havana, amin’ny fomba hafa, dia hoe : « Tandremo ny fisainanao, tandremo ny eritreritrao, tandremo izay hoe fiheveranao ». Tandremo izany dia hampitsikitsiky an’Andriamanitra ianao. Tandremo ny fisainanao, tandremo izay fihevitrao, tandremo ny eritreritrao dia hampitsika an’Andriamanitra ianao. Misy sivana eo ry havana omen’ny Apostoly Paoly momba ny zavatra eritreretina, dia io izany, araka ny tenin’i Paoly, tsy mieritreritra zavatra ohatran’ireo intsony aho. Tsy tokony hihaino hira aho misy an’ireo zavatra ireo, tsy tokony hijery video aho misy an’ireo zavatra ireo. Dia rehefa mitandrina ohatran’izany aho, dia mitsikitsiky amiko Andriamanitra, mampamirapiratra ny tavany amiko Andriamanitra, dia mamindra fo amiko Izy, Ilay indra-fo ry havana mahazo roa : tsy maintsy ho tojo problema ianao amin’iny 2020 iny, fa mamindra fo aminao Izy ary hamonjy anao amin’iny problema iny. Hamindra fo aminao Izy faharoa, tena hoe hamela ny helokao. Hitany fa tena tia ianao, hitany fa tena zanaka ianao e, hitany fa manana ny anaran’i Jesoa voasikotra ao amin’ny fonao ianao, dia mamindra fo Izy ry havana ô.
Izay izany ny fahamarinana 2, hoe : Andriamanitra mampamirapiratra ny tavany amintsika ka mamindra fo amintsika raha mitandrina ny fihevitsika, ny fisainantsika, sy ny eritreritsika. Izay ilay izy ry havana.

Ny fahamarinana 3 farany, miverina ary amin’ny Nomery isika, eo amin’ny and.26 : « Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana ». Ilay « manandratra », amin’ny Segond dia hoe : « Il lèvera sa face » ; nefa tenenina hoe : « Hanandratra ny tavany aminao ». Izaho anie ety an-tany e, dia ahoana ? Raha hanandratra ny tavany amiko Izy izany, angaha izaho mbola any an-danitra ? Mahalasa fisainana tokoa ilay izy ry havana. Fa ilay « manandratra », mahazo 2 : sady manandratra tarehy no mitodika any amin’ny olona anankiray. Nahafinaritra ny teny-na mpitoriteny anankiray ry havana nanazava an’io. Ity Nomery 6 ity mantsy, any an’efitra ny Zanak’Isiraely, any an’efitra. Ary raha ny marina, isika rehetra tokony ahatsiaro any an’efitra. Ilay efitra dia milaza hoe an-dalana ho any amin’ny tena fitodiana isika, an-dalana ho any Jerosalema Vaovao isika. Dia olona any an’efitra, olona anaty fizahan-toetra sy anaty fahanginana no omena an’ity tso-drano ity ry havana ô. Ary maninona ny maha zava-dehibe ilay hoe : « Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah » ? Dia hoy ilay mpitoriteny anankiray izay : ny ohatra tsara mahalaza an’io hoy izy, dia hoe ilay olona mibaby olona anankiray. Jehovah no mibaby, ary ianao no babena. Inona tokoa ny zavatra mitranga raha mibaby olona aho, raha mibaby zazakely aho ? Tsy marina izany. Fa raha mibaby olon-dehibe aho, raha Pasteur Fabien izao no babeko, sady izy lava ranjanana io, aty ny lohany ; dia raha hiresaka aminy aho, dia izao no ataoko. Izay no ataon’i Jehovah amintsika ry havana ô : any an’efitra isika. Ary aza mieritreritra ianao mahavita tena e. Aza mieritreritra ianao hoe izaho izao, izaho izao, mahavita tena aho. Tsarovy fa any an’efitra ianao, dia hoe baben’Andriamanitra ianao, ary raha tsy babeny ianao, tsy tonga any amin’izay fitodiana kasainao, na irianao ianao ry havana ô. Ary rehefa manandratra ny tavany ohatran’izany Andriamanitra ka mitodika aminao, dia tena hoe fifanatrehan-tava amin’Andriamanitra ny fiainanao isan’andro, isan’andro. Ary izany no irariana ho antsika ry havana ô, hanana an’izany fifanatrehan-tava amin’i Jesoa izany isan’andro isan’andro amin’iny 2020 iny, ary hatramin’ny fotoana izay anaterana antsika eto ry havana ô. Dia hoy ihany ilay mpanompon’Andriamanitra izay : izaho hoy izy indray mandeha nisakafo tao Paris tao, tao amina hôtel faran’izay lafo be, Crillon izay. Dia tena mahavariana hoy izy ilay serveur ao. Any amin’ny restaurant sasany ianao an, efa miantso in-polo hoe azafady, azafady, azafady, mbola tsisy olona ihany eo ; ao ianao, vao mitodika fotsiny hoy izy, dia efa mifanena amin’ny maso-na serveur, ary izy miandry anao hitodika. Izay ilay izy. Indray mandehz izahay hoy izy eo amin’ny latabatra eo, dia feno tableau des maîtres ireny teo. Dia eo hoy izy, izaho sy ny zanako mifampiresaka ohatran’izao mijery an’ilay tableau, tonga avy any ilay serveur manazava : « io tableau an’i anona, izao no nanaovana an’io, izao no dikan’io ». Mahafinaritra ahy ry havana izay fanoharana izay. Izay ilay Jehovah hoe manandratra ny tavany ka mitodika aminao. Tsy misy zavatra momba anao tsy hitany. Ary miandry anao Izy mba hitodika any Aminy koa e, hifanatri-tava Aminy ry havana ô. Ary rehefa mifanatri-tava amin’i Jehovah tahak’izany ianao, dia miaina fiadanana.
Ny hamaranana azy dia izao ry havana : ahoana moa ny amin’ity fahamarinana 3 ity no ahazoako, no ahafahako, satria tsy haiko izany hoe tokony hifanatri-tava amin’i Jesoa izany aho e ? Mahafinaritra ny teny-na mpitoriteny izay : ity hoy izy modely-na tso-drano. Fa rehefa jerena hoy izy ny ivon’ny tso-drano dia hitantsika ao amin’ny 2 Korintiana 13 :14. Misy fahamarinana telo mantsy ilay Nomery 6, dia hoy ny mpitoriteny hoe mampahatsiaro ny trinité io, ilay fitahiana in-telo io, ilay tso-drano anankitelo io. Dia ato amin’y 2 Korintiana 13 :14 tena hitanao izany hoe trinité tso-drano izany. Andeha anie hiarahantsika mamaky e : « Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina ». Ilay tapany fahatelo, firaisana amin’ny Fanahy Masina ry havana ô, ny firaisana amin’ny Fanahy Masina no hampifanatri-tava, no ampahatsiaro anao hoe : oay, izaho izany toa tsy mahatsiaro tena mifanatri-tava, toa tsy mitady fifanatrehana tava amin’i Jesoa ; fa rehefa mangataka ny Fanahy Masina ianao hitoetra amin’ny firaisana amin’ny Fanahy Masina, io no hampitodika anao isan’andro isan’andro amin’izany fifanatrehana tava amin’i Jesoa izany. Dia hiadana, hiadana, hiadana ianao ry havana ô.

Misaotra an’Andriamanitra isika ry havana ny amin’ity tso-dranon’i Arona izay rentsika isan’Alahady, isan’Alahady, efa ho 15 taona izao. Misaotra ny Tompo ny amin’izay e, misaotra ny Tompo ny amin’izay. Ary dia enga anie ka hitondra fanovàna, fanitsiana, fanavaozana ao amintsika izany teny izany, mba hihena ny isan’ny mody kristiana ato amin’ity fitandremana ity, ary dia hoe ho tahian’i Jesoa ny maro ary rehefa tahian’i Jesoa ny maro ry havana, dia ho fitahiana ho an’ny hafa. Tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izy, tsy velona ho an’ny tenany irery izy, fa ho marina aminy ilay teny fikasana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama hoe : ianao koa dia ataoko fitahiana ho an’ny hafa. Amena

ALAROBIA 25 DES 2019

"Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo". Lioka 2:11

"Fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i Kristy". Efesiana 2:13

1. Metezà ho mpankalaza an'i Kristy ianao
2. Metezà ho mpamafy fankasitrahana ianao
3. Metezà ho mpankatoa faingana ianao

ALAHADY 22 DES 2019

« Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina ». Romana 15 :13

Ny fanontaniana ry havana, apetraky ny Tompo mazava amintsika amin’izao maraina izao, dia hoe : MINO AN’ANDRIAMANITRY NY FANANTENANA VE IANAO ? Tsy hoe : mino an’Andriamanitra ve ianao ? Fa : mino an’Andriamanitry ny fanantenana ve ianao ? MINO AN’ANDRIAMANITRY NY FANANTENANA VE IANAO ?
Ny atao hoe « mino », dia hoe, eo ny hoe mino ny fisian’Andriamanitra, fa « mahafantatra Azy ho Andriamanitry ny fanantenana », izany hoe : manana ny fanantenana ary mahatoky an’izany Andriamanitry ny fanantenana izany ve ianao ao amin’ny fiainanao ? Mahatoky an’Andriamanitry ny fanantenana ve ianao ry havana ô ?
Ato amin’ity Romana 15 ity, ny fanantenana dia anarana, anaran-javatra, fa tsy hoe matoan-teny, « manantena », tsia. Fa ilay fanantenana dia milaza anaran-javatra ananana na tsy ananana. Ohatra : misy olona izao, tsy manana fanantenana : ilaozan’olon-tiana, dia mamono tena. Mamono tena izy satria tsy manana ny fanantenana ao anatiny. Misy olona, voadonan’ny fiainana, dia mivaro lavo, miboboka toaka, sy ny zava-mahadomelina, satria tsy manana ny fanantenana ao aminy. Izay ilay hoe fanantenana eto. Andriamanitra no tompon’izany fanantenana izany, rehefa miteny ny Soratra Masina, hoe : mahatoky an’Andriamanitry ny fanantenana ve ianao ? Manana an’izany fanantenana izany ve ianao ? Ny Apostoly Paoly ry havana, dia nanana an’izany fanantenana izany tao aminy, ka na dia tany am-pigadrana aza izy nanoratra ny epistily ho an’ny Filipiana, izay antsoina hoe epistilin’ny fifaliana, na hoe épitre de la joie, nanana fanantenana izy, dia niteny izy, mampianatra antsika izy, hoe : « mifalia mandrakariva » ; fa tsy hoe migadra ianao dia manjombotra eo. Izay ilay izy : mahatoky an’Andriamanitry ny fanantenana ve ianao ?

Fahamarinana 1 : HAMENO ANAO AMIN’NY FIFALIANA SY NY FIADANANA IZY RAHA MINO AZY IANAO
Raha mahatoky an’Andriamanitry ny fanantenana ianao ry havana, dia ny fahamarinana 1 dia izao : hameno anao amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra Izy. Hameno anao amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra Izy, raha mino Azy ianao.
Inona moa ity fifaliana omeny anao ity ry havana ? Tsotra be io fifaliana io. Fifalian’ny olona mahafantatra fa io Andriamanitry ny fanantenana io efa nanangana azy ho zanaka, dia fifalian’ny zanaka mahatsiaro hoe ankohonan’ny Rainy, ankohonan’ilay Andriamanitry ny fanantenana ry havana ô. Izay io fifaliana io.
Ary hameno anao ihany koa Izy amin’ny fiadanana. Ilay fiadanana, dia hoe fiadanan’ny olona izay vita fihavanana amin’Andriamanitra. Miala tsiny aho amin’ilay tent frantsay : ilay olona ampitoerin’Andriamanitra « en paix », satria nanao la paix, nihavana, ni- se reconcilier tamin’Andriamanitra. Ary ianao aza manantena hoe iaina an’izany fiadanana izany ry havana an, raha ohatra ianao mbola tsy vita fihavanana amin’Andriamanitra an, raha mbola manohy an’izap fombanao hoe kristiana ara-pomba, hoe anarana isalorana fotsiny ny maha-kristiana ; tsy iaina ny fiadanan’ny Tompo ianao ry havana, tsy iaina ny fiadanan’ny Tompo ianao. Fa dia izay : raha mino ianao an’io Andriamanitry ny fanantenana io ry havana, dia hameno anao Izy amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra.
Mariho tsara ny fampianaran’ny Apostoly. Tsy miteny izy hoe hanome anao fifaliana, tsy miteny izy hoe hanome anao fiadanana, fa : hameno ny fonao sy ny fanahinao amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra. Ary raha mbola tsy mazava izany, dia hoy izy hoe : hameno anao amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra. Ho feno fifaliana, sy ho feno fiadanana mitafotafo ny fonao, fanahinao, fiainanao, raha mino ianao, raha mahatoky ianao, raha manaiky ianao an’io Andriamanitry ny fanantenana io. Ilay hoe manaiky ry havana dia izao : mahatoky Azy aho, ka na inona na inona tendreny ho ahy, dia ekeko. Firy isika e, no tena hoe manaiky an-jambany izay zavatra alahany ho antsika ? Izany ny lehilahy, izany ny vehivavy miaina tahaka ny olon’ny fanekena, ka manantena ilay vokatry ny fanekena, hoe : fiainana sy fiadanana. Fa raha ataonao tsianjery fotsiny io ry havana, tsy iaina izany fiadanana izany ianao.
Nampihetsi-po anao ve ilay hira 75 nohiraina teo ? Derao io zaza io, hobio fa Tomponao. Tomponao io, fa tsy ohatran’ilay hoe petit Jésus any amin’ilay crèche e. Be dia be loatra ny kristiana mino an’ilay petit Jésus ; Tomponao io e. Ekenao ve io zaza io ry havana ô ? Ekenao ve io zaza io ? Fa miandry anao hanaiky Andriamanitra. Ary izay ilay asan’ny Fanahy ato amin’ity Fiangonana ity : ilau Salamo 111 teo dia miteny hoe ny fanekena nataon’Andriamanitra teo anie ka hoe nahoriny ho mandrakizay. Henonao ve izany ? Nahoriny ho mandrakizay, ary tsarovy mandrakizay izany fanekena izany. Fa matoa tsy tanteraka ao aminao ny fifaliana sy ny fiadanana, dia ianao no tsy manatanteraka, ianao no tsy mandeha arak’izany fanekena izany.
Izay izany ny fahamarinana 1, hoe : raha mino ianao, raha mahatoky ianao, raha hoe mamela an’ilay Andriamanitry ny fanantenana hanjaka ao am-ponao ianao, dia hameno anao amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra Izy.

Ny fahamarinana 2 farany , dia izao ry havana, andeha anie hiverenantsika vakiana ny and.13 e : « Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina ». RAHA MINO AN’ANDRIAMANITRY NY FANANTENANA IANAO DIA IZAO NY ZAVATRA HITRANGA : NY FANAHY MASINA Ô, HAMPITOMBO ANAO AMIN’NY FANANTENANA. Raha mino an’Andriamanitry ny fanantenana ianao, dia hoe ny Fanahy Masina, ny herin’ny Fanahy Masina hampitombo anao amin’ny fanantenana. Mahavariana ilay tenin’ny Apostoly Paoly, fa ilay fahamarinana 1 angaha tsy efa hoe hameno antsika Izy ? Hameno antsika Izy e, izany no fikasany. Fa fantatry ny Apostoly tsara ny hakelin’ny finoako sy ny hakelin’ny finoanao ; fantatry ny Apostoly tsara ny fahalementsika isan-karazany, ary dia azo lazaina hoe mbola nofinofy ihany ho ahy sy ho anao izany hoe ho fenoina amin’ny fifaliana sy amin’ny fiadanana izany. Fa mahari-po amintsila Izy e, misahirana ho antsika Izy, misahirana amintsika Izy, dia mbola miteny hoe : e, raha mino ny Andriamanitry ny fanantenana ianao, dia ny herin’ny fanahiny Masina, hampitombo anao amin’ny fanantenana. Rehefa jerena tokoa ry havana izao vanim-potoana iainantsika izao, dia tena hoe ilain’ny olombelona, na iza izy na iza,na nianatra na tsy nianatra, na manana na tsy manana, ilain’ny olona izany fanantenana izany entina miatrika izao fiainana lalovantsika izao ry havana ô. Ary ny maha-zava-dehibe ny hoe Andriamanitry ny fanantenana, haniraka ny Fanahy Masina, hampitombo ny fanantenana amintsika, dia izao : jereny ny situation misy antsika ry havana ô, situation misy ahy, situation misy anao, fantany izany situation izany, fa raha mahatoky Azy ianao, dia ao anatin’izany situation izany, hampitombo ny herin’ny Fanahy Masina, hampitombo ny fanantenana ry havana ô. Tsisy situation ao amin’ny fiainantsika, ka hoe sarotra loatra ho Azy. Tsisy situation eo amin’ny fiainantsika ka hoe nanampoka Azy, tsy nampoiziny. Ny ampitsonao io, rapitso Alatsinainy, efa fantany ; ny afak’ampitsonao efa fantany ; ny toetranao amin’ny 01 Janvier 2020, efa fantany ; ny faran’ny fofon’ainao ety an-tany, efa fantany ry havana ô. Fa ianao no tsy mahalala, ianao no mety mitaintaina, ianao no mety mihorohoro, ianao no mety be fanontaniana ; fa hoy ny Tompo hoe : anatin’ny situation rehetra izay ampandalovako anao, dia ampitomboako amin’ny fanantenana ianao noho ny herin’ny Fanahy Masina. Ary afaka mahatoky an’izany Andriamanitry ny fanantenana izany isika anio, rahampitso, isan’andro isan’andro, afaka mahatoky an’izany Andriamanitry ny fanantenana izany isika, fa Izy efa niteny tao amin’i Jesoa Kristy hoe : Izaho momba anareo isan’andro isan’andro ambara pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Anatin’ny tsy fisiana, anatin’ny fahoriana, anatin’ny fizahan-toetra, anatin’ny tafio-drivotra isan-karazany, eo anilanao Izy ry havana ô. Ary ireo épreuves isan-karazany ireo izay ampandalovany anao, mbola fitiavany anao, izahany toetra anao, ary hampitomboiny anao amin’izany fanantenana izany ry havana malala ô. Izany no dikan’ny épreuves tsy misy farany eo amin’ny fiainanao. Mba tiany ianao ho tonga saina hoe misy herin’ny Fanahy Masina en réserve anie e, ho anao anie ao Aminy ao e, misy herin’ny Fanahy Masina en réserve ho anao, misy herin’ny Fanahy Masina stocké ho anao ao, fa miandry anao hiantso Izy, miandry anao hiantso vonjy Izy, dia ampiasainy izany herin’ny Fanahy Masina izany, hampitombo anao amin’ny fanantenana ry havana ô. Ary averina indray : matoa tonga amintsika izao teny izao, izay no tian’ny Tompo ampahafantarina antsika, hoe : tsy possible izao fiainantsika izao raha tsy misy ny fanantenana avy amin’ny Andriamanitry ny fanantenana. Izy no tompon’ny fanantenana, ary Izy no iantefan’ny fanantenantsika. Hoy ny mpitoriteny hoe sady source-ny fanantenana Izy, no objet-ny fanantenana Izy, any Aminy ihany isika, any Aminy ihany isika no hoe afaka mitady fanantenana.
Mijery ny fiainantsika ry havana, mijery ny fiainantsika : tsotra be anie ny fiainantsika e, atomboka ao amin’ny fiainan’ny tokantrano : mijery ny vadinao ianao, efa firy tao-maty izay, tsy mety miova, dia mieritreritra divorce ianao e, satria tsy manana fanantenana. Mijery ny zanakao ianao, kilasinao izy hoe tompon’ny ditra, mamohy fo ianao, satria tsy manana fanantenana. Fa raha ao an-tsainao ity Romana 15 :13, izay ianarantsika tsianjery ity rehefa avy eo, dia io tokantranonao io, io ankohonanao io, dia sehatra tian’Andriamanitra ampiasana an’izany herin’ny Fanahy Masina izany e, hitomboanao amin’ny fanantenana ry havana ô.
Mijery ny ho avintsika Fiangonana ry havana, ny ho avin’ny fiaraha-monina malagasy, dia henontsika angamba ilay resa-be momba ilay hoe rindran-tsary nandeha tany am-piangonana ahitana lehilahy manambady lehilahy. Mampiori-koditra ny mieritreritra an’izany e. Na ilay pasitera, na ilay mpitondra fivavahana namela an’izany ho atao ao amin’ny fiangonant ary. Fambara ve izany, fa izay mantsy ny tontolon’ny mpanankato koa, ampiasain’ny mpanao politika amin’izany, fambara ve izany fa miainga any an’anona any ny fampielezana ny fanambadian’ny olona mitovy fananahana ? Izany ve no dikan’izany ry havana ô ? Inona no ataontsika eo anatrehan’izany e ? Mahatokia ilay Andriamanitry ny fanantenana, matokia ilay Andriamanitry ny fanantenana, izay hanome anao ny herin’ny Fanahy Masina hitomboana amin’ny fanantenana hoe : non, tsy hanana toerana ato amin’ity Fiangonana ity, ary ato amin’ity firenena ity zany homosexualité izany. Tsisy manilika ny homosexualité eo, fa tenenina fotsiny hoe : rahalahy, ranabavy, raha miziriziry amin’io homosexualité io ianao, dia diso lalana ianao, ary tsy handova ny fanjakan’ny lanitra ianao araka ny ambaran’ny Soratra Masina. Na ny herin’ny mondialisation iray manontolo aza, tsy haharesy ny Fiangonan’Andriamanitra ry havana ô. Ilàna fanantenana izao fiainana izao.
Mamaky gazety ianao, maka ny toeran’ny tanora eny Ankatso, mikatso ny fianarany dia migrevy. Izaho tsy miditra amin’ny hoe avy aiza ilay grevy. Fa eo amin’ny toeran’ireo tanora aho taomin’ireo mpampianatra manao grevy : soa fa manana an’ilay Andriamanitry ny fanantenana isika ry havana ô, izay hanome ny herin’ny Fanahy Masina hitomboantsika amin’ny fanantenana hoe tsy io grevy io, tsy io fikatsoana io, tsy io risque-ny année blanche io tompon’ny teny farany, fa ilay Andriamanitry ny fanantenana, izay efa manana hevitra iheverana ny université, sy ireo tanora ireo ry havana ô, mba hananany fiadanana sy fanantenana, raha mahatoky fa Andriamanitry ny fanantenana Izy.
Mikasika ny fiainam-pirenena, niainga tany amin’ny ankohonana, tany amin’ny tokantrano, ny fiainan’ny Fiangonana, ny fiaraha-monina ; teny indraim-bava hamaranana, momba ny firenena. Mamaky any anaty gazety ianao, mihaino an-dry zareo ao amin’ny organisation de la société civile ianao, dia te hitomany ianao, te hitomany, rehefa mahita azy miteny hoe : ilay hoe nouveau code minier, tsisy mangarahara ary tsy azo antoka ilay nouveau code minier eo, raha hoe hampandroso de façon durable, ny développement durable an’ity firenentsika ity, izay tena hoe manan-karena raha harena an-kibon’ny tany no resahina. Kivy ianao, kivy ianao. Fa soa fa manana an’ilay Andriamanitry ny fanantenana ianao, ary tsy vaovao Aminy ny code minier ohatran’izao io ; fa manana ny hevitra iheverany an’ity firenena ity Izy. Tsy mazava ilay code minier hampandroso, tsy mazava hoe mankaiza ny revenus fiscaux sy ny karazany, tsy manaza ilay code minier ny amin’ny hoe fikajiana ny environnement, sy ny sosialy etc…Tsisy manao politika eto, fa milaza fotsiny hoe mila fanantenana, ary mila ny Andriamanitry ny fanantenana isika mianakavy ry havana ô, raha tsy izany dia hamoy fo, ho naman’izay mihemotra.
Raha ny marina ry havana, ity texte ity, vavaky ny Apostoly Paoly izy ity. Miteny izy hoe : « Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra ». Dia izao no hafatra ho antsika ary ahafantarana hoe feno fifaliana, feno fiadanana, mitombo amin’ny fanantenana isika ; raha izany marina izaho sy ianao ry havana ô, dia mamantatra olona anankiray izao entintsika am-bavaka tahaka ny nitondran’i Paoly Apostoly ny Romana, nitondrany am-bavaka isika izay hoe zanany rehetra ho avy rehetra, tapao ny hevitra ry havana ô, ho mariky ny fahafantaranao hoe miaina fiadanana ianao, rehefa feno fifaliana sy fiadanana ianao amin’ny zavatra rehetra, mamantara olonabiray dia tapao ny hevitra androany 22 Desambra hoe io dia entiko am-bavaka satria fantatro loatra ny fiainany ary tena mila ilay fanantenana avy amin’Andriamanitry ny fanantenana izy.
Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena

Commentaires récents par FJKM Isotry Fitiavana

Pas de commentaires par FJKM Isotry Fitiavana encore.