Ny Biraon’ny Fitandremana Isotry Fitiavana dia:
- Miara-miasa akaiky amin’ny Mpitandrina amin’ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra sy ny fitoriana ny Filazantsara izay hanirahana ny Fitandremana
- Mamolavola ny vina sy ny tetik'asan’ny Fitandremana ary manolotra izany hodinihin’ny Mpihevi-draharahan’ny Fitandremana
- Manatanteraka ny hevitra tapaky ny Mpihevi-draharaha sy ny fivorian’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo
- Mandamina sy manao izay mampandeha ny raharaha rehetra eto amin’ny Fitandremana
- Manao izay hisian’ny filaminana sy fiombonana eto anivon’ny Fitandremana
- Manao izay hahatanterahan’ny Fitandremana Isotry Fitiavana ny adidiny, na eo anivon’ny Synodamparitany misy azy, na eo anivon’ny Foibe FJKM
- Mandamina ny fitantanana ara-bola
Mba hahafahan’ny birao manatanteraka ireo andraikiny ireo dia mivory in-droa isam-bolana ny Biraon’ny Fitandremana Isotry Fitiavana.
Ireo biraon'ny Fitandremana (2024-2028) dia :
- Filoha : Ny Mpitandrina ANDRIANOMANANA MIARISOA
- Mpitantsoratry ny fivoriana : RABENIARISON TIANA NIRINA
- Mpitantsoratry ny vola : RAZAKANAIVO RABEMIHOATRA IHAJA NIRINA1
- Mpitahiry vola : ANDRIAMALALA NIRINA DANIEL
- Mpanolo-tsaina voalohany : RAKOTOARISON OLIVIER
- Mpanolo-tsaina faharoa : RASAMOELINA WICKLIFF JOEL
- Mpanolo-tsaina fahatelo : RANJOHANISON PATRICK