« Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina ». Romana 15 :13
Ny fanontaniana ry havana, apetraky ny Tompo mazava amintsika amin’izao maraina izao, dia hoe : MINO AN’ANDRIAMANITRY NY FANANTENANA VE IANAO ? Tsy hoe : mino an’Andriamanitra ve ianao ? Fa : mino an’Andriamanitry ny fanantenana ve ianao ? MINO AN’ANDRIAMANITRY NY FANANTENANA VE IANAO ?
Ny atao hoe « mino », dia hoe, eo ny hoe mino ny fisian’Andriamanitra, fa « mahafantatra Azy ho Andriamanitry ny fanantenana », izany hoe : manana ny fanantenana ary mahatoky an’izany Andriamanitry ny fanantenana izany ve ianao ao amin’ny fiainanao ? Mahatoky an’Andriamanitry ny fanantenana ve ianao ry havana ô ?
Ato amin’ity Romana 15 ity, ny fanantenana dia anarana, anaran-javatra, fa tsy hoe matoan-teny, « manantena », tsia. Fa ilay fanantenana dia milaza anaran-javatra ananana na tsy ananana. Ohatra : misy olona izao, tsy manana fanantenana : ilaozan’olon-tiana, dia mamono tena. Mamono tena izy satria tsy manana ny fanantenana ao anatiny. Misy olona, voadonan’ny fiainana, dia mivaro lavo, miboboka toaka, sy ny zava-mahadomelina, satria tsy manana ny fanantenana ao aminy. Izay ilay hoe fanantenana eto. Andriamanitra no tompon’izany fanantenana izany, rehefa miteny ny Soratra Masina, hoe : mahatoky an’Andriamanitry ny fanantenana ve ianao ? Manana an’izany fanantenana izany ve ianao ? Ny Apostoly Paoly ry havana, dia nanana an’izany fanantenana izany tao aminy, ka na dia tany am-pigadrana aza izy nanoratra ny epistily ho an’ny Filipiana, izay antsoina hoe epistilin’ny fifaliana, na hoe épitre de la joie, nanana fanantenana izy, dia niteny izy, mampianatra antsika izy, hoe : « mifalia mandrakariva » ; fa tsy hoe migadra ianao dia manjombotra eo. Izay ilay izy : mahatoky an’Andriamanitry ny fanantenana ve ianao ?
Fahamarinana 1 : HAMENO ANAO AMIN’NY FIFALIANA SY NY FIADANANA IZY RAHA MINO AZY IANAO
Raha mahatoky an’Andriamanitry ny fanantenana ianao ry havana, dia ny fahamarinana 1 dia izao : hameno anao amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra Izy. Hameno anao amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra Izy, raha mino Azy ianao.
Inona moa ity fifaliana omeny anao ity ry havana ? Tsotra be io fifaliana io. Fifalian’ny olona mahafantatra fa io Andriamanitry ny fanantenana io efa nanangana azy ho zanaka, dia fifalian’ny zanaka mahatsiaro hoe ankohonan’ny Rainy, ankohonan’ilay Andriamanitry ny fanantenana ry havana ô. Izay io fifaliana io.
Ary hameno anao ihany koa Izy amin’ny fiadanana. Ilay fiadanana, dia hoe fiadanan’ny olona izay vita fihavanana amin’Andriamanitra. Miala tsiny aho amin’ilay tent frantsay : ilay olona ampitoerin’Andriamanitra « en paix », satria nanao la paix, nihavana, ni- se reconcilier tamin’Andriamanitra. Ary ianao aza manantena hoe iaina an’izany fiadanana izany ry havana an, raha ohatra ianao mbola tsy vita fihavanana amin’Andriamanitra an, raha mbola manohy an’izap fombanao hoe kristiana ara-pomba, hoe anarana isalorana fotsiny ny maha-kristiana ; tsy iaina ny fiadanan’ny Tompo ianao ry havana, tsy iaina ny fiadanan’ny Tompo ianao. Fa dia izay : raha mino ianao an’io Andriamanitry ny fanantenana io ry havana, dia hameno anao Izy amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra.
Mariho tsara ny fampianaran’ny Apostoly. Tsy miteny izy hoe hanome anao fifaliana, tsy miteny izy hoe hanome anao fiadanana, fa : hameno ny fonao sy ny fanahinao amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra. Ary raha mbola tsy mazava izany, dia hoy izy hoe : hameno anao amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra. Ho feno fifaliana, sy ho feno fiadanana mitafotafo ny fonao, fanahinao, fiainanao, raha mino ianao, raha mahatoky ianao, raha manaiky ianao an’io Andriamanitry ny fanantenana io. Ilay hoe manaiky ry havana dia izao : mahatoky Azy aho, ka na inona na inona tendreny ho ahy, dia ekeko. Firy isika e, no tena hoe manaiky an-jambany izay zavatra alahany ho antsika ? Izany ny lehilahy, izany ny vehivavy miaina tahaka ny olon’ny fanekena, ka manantena ilay vokatry ny fanekena, hoe : fiainana sy fiadanana. Fa raha ataonao tsianjery fotsiny io ry havana, tsy iaina izany fiadanana izany ianao.
Nampihetsi-po anao ve ilay hira 75 nohiraina teo ? Derao io zaza io, hobio fa Tomponao. Tomponao io, fa tsy ohatran’ilay hoe petit Jésus any amin’ilay crèche e. Be dia be loatra ny kristiana mino an’ilay petit Jésus ; Tomponao io e. Ekenao ve io zaza io ry havana ô ? Ekenao ve io zaza io ? Fa miandry anao hanaiky Andriamanitra. Ary izay ilay asan’ny Fanahy ato amin’ity Fiangonana ity : ilau Salamo 111 teo dia miteny hoe ny fanekena nataon’Andriamanitra teo anie ka hoe nahoriny ho mandrakizay. Henonao ve izany ? Nahoriny ho mandrakizay, ary tsarovy mandrakizay izany fanekena izany. Fa matoa tsy tanteraka ao aminao ny fifaliana sy ny fiadanana, dia ianao no tsy manatanteraka, ianao no tsy mandeha arak’izany fanekena izany.
Izay izany ny fahamarinana 1, hoe : raha mino ianao, raha mahatoky ianao, raha hoe mamela an’ilay Andriamanitry ny fanantenana hanjaka ao am-ponao ianao, dia hameno anao amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra Izy.
Ny fahamarinana 2 farany , dia izao ry havana, andeha anie hiverenantsika vakiana ny and.13 e : « Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina ». RAHA MINO AN’ANDRIAMANITRY NY FANANTENANA IANAO DIA IZAO NY ZAVATRA HITRANGA : NY FANAHY MASINA Ô, HAMPITOMBO ANAO AMIN’NY FANANTENANA. Raha mino an’Andriamanitry ny fanantenana ianao, dia hoe ny Fanahy Masina, ny herin’ny Fanahy Masina hampitombo anao amin’ny fanantenana. Mahavariana ilay tenin’ny Apostoly Paoly, fa ilay fahamarinana 1 angaha tsy efa hoe hameno antsika Izy ? Hameno antsika Izy e, izany no fikasany. Fa fantatry ny Apostoly tsara ny hakelin’ny finoako sy ny hakelin’ny finoanao ; fantatry ny Apostoly tsara ny fahalementsika isan-karazany, ary dia azo lazaina hoe mbola nofinofy ihany ho ahy sy ho anao izany hoe ho fenoina amin’ny fifaliana sy amin’ny fiadanana izany. Fa mahari-po amintsila Izy e, misahirana ho antsika Izy, misahirana amintsika Izy, dia mbola miteny hoe : e, raha mino ny Andriamanitry ny fanantenana ianao, dia ny herin’ny fanahiny Masina, hampitombo anao amin’ny fanantenana. Rehefa jerena tokoa ry havana izao vanim-potoana iainantsika izao, dia tena hoe ilain’ny olombelona, na iza izy na iza,na nianatra na tsy nianatra, na manana na tsy manana, ilain’ny olona izany fanantenana izany entina miatrika izao fiainana lalovantsika izao ry havana ô. Ary ny maha-zava-dehibe ny hoe Andriamanitry ny fanantenana, haniraka ny Fanahy Masina, hampitombo ny fanantenana amintsika, dia izao : jereny ny situation misy antsika ry havana ô, situation misy ahy, situation misy anao, fantany izany situation izany, fa raha mahatoky Azy ianao, dia ao anatin’izany situation izany, hampitombo ny herin’ny Fanahy Masina, hampitombo ny fanantenana ry havana ô. Tsisy situation ao amin’ny fiainantsika, ka hoe sarotra loatra ho Azy. Tsisy situation eo amin’ny fiainantsika ka hoe nanampoka Azy, tsy nampoiziny. Ny ampitsonao io, rapitso Alatsinainy, efa fantany ; ny afak’ampitsonao efa fantany ; ny toetranao amin’ny 01 Janvier 2020, efa fantany ; ny faran’ny fofon’ainao ety an-tany, efa fantany ry havana ô. Fa ianao no tsy mahalala, ianao no mety mitaintaina, ianao no mety mihorohoro, ianao no mety be fanontaniana ; fa hoy ny Tompo hoe : anatin’ny situation rehetra izay ampandalovako anao, dia ampitomboako amin’ny fanantenana ianao noho ny herin’ny Fanahy Masina. Ary afaka mahatoky an’izany Andriamanitry ny fanantenana izany isika anio, rahampitso, isan’andro isan’andro, afaka mahatoky an’izany Andriamanitry ny fanantenana izany isika, fa Izy efa niteny tao amin’i Jesoa Kristy hoe : Izaho momba anareo isan’andro isan’andro ambara pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Anatin’ny tsy fisiana, anatin’ny fahoriana, anatin’ny fizahan-toetra, anatin’ny tafio-drivotra isan-karazany, eo anilanao Izy ry havana ô. Ary ireo épreuves isan-karazany ireo izay ampandalovany anao, mbola fitiavany anao, izahany toetra anao, ary hampitomboiny anao amin’izany fanantenana izany ry havana malala ô. Izany no dikan’ny épreuves tsy misy farany eo amin’ny fiainanao. Mba tiany ianao ho tonga saina hoe misy herin’ny Fanahy Masina en réserve anie e, ho anao anie ao Aminy ao e, misy herin’ny Fanahy Masina en réserve ho anao, misy herin’ny Fanahy Masina stocké ho anao ao, fa miandry anao hiantso Izy, miandry anao hiantso vonjy Izy, dia ampiasainy izany herin’ny Fanahy Masina izany, hampitombo anao amin’ny fanantenana ry havana ô. Ary averina indray : matoa tonga amintsika izao teny izao, izay no tian’ny Tompo ampahafantarina antsika, hoe : tsy possible izao fiainantsika izao raha tsy misy ny fanantenana avy amin’ny Andriamanitry ny fanantenana. Izy no tompon’ny fanantenana, ary Izy no iantefan’ny fanantenantsika. Hoy ny mpitoriteny hoe sady source-ny fanantenana Izy, no objet-ny fanantenana Izy, any Aminy ihany isika, any Aminy ihany isika no hoe afaka mitady fanantenana.
Mijery ny fiainantsika ry havana, mijery ny fiainantsika : tsotra be anie ny fiainantsika e, atomboka ao amin’ny fiainan’ny tokantrano : mijery ny vadinao ianao, efa firy tao-maty izay, tsy mety miova, dia mieritreritra divorce ianao e, satria tsy manana fanantenana. Mijery ny zanakao ianao, kilasinao izy hoe tompon’ny ditra, mamohy fo ianao, satria tsy manana fanantenana. Fa raha ao an-tsainao ity Romana 15 :13, izay ianarantsika tsianjery ity rehefa avy eo, dia io tokantranonao io, io ankohonanao io, dia sehatra tian’Andriamanitra ampiasana an’izany herin’ny Fanahy Masina izany e, hitomboanao amin’ny fanantenana ry havana ô.
Mijery ny ho avintsika Fiangonana ry havana, ny ho avin’ny fiaraha-monina malagasy, dia henontsika angamba ilay resa-be momba ilay hoe rindran-tsary nandeha tany am-piangonana ahitana lehilahy manambady lehilahy. Mampiori-koditra ny mieritreritra an’izany e. Na ilay pasitera, na ilay mpitondra fivavahana namela an’izany ho atao ao amin’ny fiangonant ary. Fambara ve izany, fa izay mantsy ny tontolon’ny mpanankato koa, ampiasain’ny mpanao politika amin’izany, fambara ve izany fa miainga any an’anona any ny fampielezana ny fanambadian’ny olona mitovy fananahana ? Izany ve no dikan’izany ry havana ô ? Inona no ataontsika eo anatrehan’izany e ? Mahatokia ilay Andriamanitry ny fanantenana, matokia ilay Andriamanitry ny fanantenana, izay hanome anao ny herin’ny Fanahy Masina hitomboana amin’ny fanantenana hoe : non, tsy hanana toerana ato amin’ity Fiangonana ity, ary ato amin’ity firenena ity zany homosexualité izany. Tsisy manilika ny homosexualité eo, fa tenenina fotsiny hoe : rahalahy, ranabavy, raha miziriziry amin’io homosexualité io ianao, dia diso lalana ianao, ary tsy handova ny fanjakan’ny lanitra ianao araka ny ambaran’ny Soratra Masina. Na ny herin’ny mondialisation iray manontolo aza, tsy haharesy ny Fiangonan’Andriamanitra ry havana ô. Ilàna fanantenana izao fiainana izao.
Mamaky gazety ianao, maka ny toeran’ny tanora eny Ankatso, mikatso ny fianarany dia migrevy. Izaho tsy miditra amin’ny hoe avy aiza ilay grevy. Fa eo amin’ny toeran’ireo tanora aho taomin’ireo mpampianatra manao grevy : soa fa manana an’ilay Andriamanitry ny fanantenana isika ry havana ô, izay hanome ny herin’ny Fanahy Masina hitomboantsika amin’ny fanantenana hoe tsy io grevy io, tsy io fikatsoana io, tsy io risque-ny année blanche io tompon’ny teny farany, fa ilay Andriamanitry ny fanantenana, izay efa manana hevitra iheverana ny université, sy ireo tanora ireo ry havana ô, mba hananany fiadanana sy fanantenana, raha mahatoky fa Andriamanitry ny fanantenana Izy.
Mikasika ny fiainam-pirenena, niainga tany amin’ny ankohonana, tany amin’ny tokantrano, ny fiainan’ny Fiangonana, ny fiaraha-monina ; teny indraim-bava hamaranana, momba ny firenena. Mamaky any anaty gazety ianao, mihaino an-dry zareo ao amin’ny organisation de la société civile ianao, dia te hitomany ianao, te hitomany, rehefa mahita azy miteny hoe : ilay hoe nouveau code minier, tsisy mangarahara ary tsy azo antoka ilay nouveau code minier eo, raha hoe hampandroso de façon durable, ny développement durable an’ity firenentsika ity, izay tena hoe manan-karena raha harena an-kibon’ny tany no resahina. Kivy ianao, kivy ianao. Fa soa fa manana an’ilay Andriamanitry ny fanantenana ianao, ary tsy vaovao Aminy ny code minier ohatran’izao io ; fa manana ny hevitra iheverany an’ity firenena ity Izy. Tsy mazava ilay code minier hampandroso, tsy mazava hoe mankaiza ny revenus fiscaux sy ny karazany, tsy manaza ilay code minier ny amin’ny hoe fikajiana ny environnement, sy ny sosialy etc…Tsisy manao politika eto, fa milaza fotsiny hoe mila fanantenana, ary mila ny Andriamanitry ny fanantenana isika mianakavy ry havana ô, raha tsy izany dia hamoy fo, ho naman’izay mihemotra.
Raha ny marina ry havana, ity texte ity, vavaky ny Apostoly Paoly izy ity. Miteny izy hoe : « Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra ». Dia izao no hafatra ho antsika ary ahafantarana hoe feno fifaliana, feno fiadanana, mitombo amin’ny fanantenana isika ; raha izany marina izaho sy ianao ry havana ô, dia mamantatra olona anankiray izao entintsika am-bavaka tahaka ny nitondran’i Paoly Apostoly ny Romana, nitondrany am-bavaka isika izay hoe zanany rehetra ho avy rehetra, tapao ny hevitra ry havana ô, ho mariky ny fahafantaranao hoe miaina fiadanana ianao, rehefa feno fifaliana sy fiadanana ianao amin’ny zavatra rehetra, mamantara olonabiray dia tapao ny hevitra androany 22 Desambra hoe io dia entiko am-bavaka satria fantatro loatra ny fiainany ary tena mila ilay fanantenana avy amin’Andriamanitry ny fanantenana izy.
Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena