Ireo tsianjery

Tsianjery Alahady 18 Aogositra 2019

"Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy". Hebreo 11:6

Tsianjery Alahady 11 Aogositra 2019

"Ary ho halan’ ny olona rehetra hianareo noho ny anarako. Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin’ ny lohanareo aza. Amin’ ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo". Lioka 21:17-19

Tsianjery Alahady 28 Jolay 2019

"Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao". Matio 28:19-20

Tsianjery Alahady 21 Jolay 2019

"Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, fa notohain'ny rivotra: ary tokony ho tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny aminy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Jesoa ka nikasa handalo azy". Marka 6:48

Tsianjery Alahady 14 Jolay 2019

"Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany. Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho".  Matio 18:19-20

Tsianjery Alahady 07 Jolay 2019

"Ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny".  Apokalypsy 22:3b-4

Tsianjery Alahady 23 Jona 2019

"Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao?  Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy". Jakoba 4:4