Ireo tsianjery

Tsianjery Alahady 20 Oktobra 2019

"Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra". Matio 7:21

Tsianjery Alahady 06 Oktobra 2019

"Ary amin'izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin'ny kely dia kely fitiavana". Lioka 7:47

Tsianjery Alahady 29 Septambra 2019

"Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana ho entintsika manao izay fanompoana sitrak'Andriamanitra amin'ny fanajana sy ny fahatahorana". Hebreo 12:28

Tsianjery Alahady 22 Septambra 2019

"Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo". Jaona 15:7-8

Tsianjery Alahady 08 Septambra 2019

"Dia nandroso ny tenin'Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan'ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana". Asan'ny Apostoly 6:7

Tsianjery Alahady 01 Septambra 2019

"Ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin'ny asan'ny fanompoana amin'ny fiangonana, ho amin'ny fampandrosoana ny tenan'i Kristy". Efesiana 4:12

Tsianjery Alahady 25 Aogositra 2019

"Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany". Apokalypsy 3:21