Ireo tsianjery

Tsianjery Alahady 23 Febroary 2020

"Ary na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesoa Tompo izany rehetra izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin'ny alalany". Kolosiana 3:17

Tsianjery Alahady 16 Febroary 2020

"Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny". 1 Petera 1:24

Tsianjery Alahady 09 Febroary 2020

"Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny tenin'ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin'izay rehetra nohamasinina". Asan'ny Apostoly 20:32

Tsianjery Alahady 02 Febroary 2020

"Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin'ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin'ny tanin'ny Isiraely". Ezekiela 37:12

Tsianjery Alahady 26 Janoary 2020

"Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin'i Kristy izy rehetra". Kolosiana 1:28

Tsianjery Alahady 12 Janoary 2020

"Dia nametraka ny tanany taminy Izy; ary niaraka tamin'izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an'Andriamanitra". Lioka 13:13

Tsianjery Alarobia 01 Janoary 2020

"Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany. Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. Raiso  ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy. Ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana". Efesiana 6:10-11;17-18

Tsianjery Alahady 29 Desambra 2019

"Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra". Filipiana 4:6