13 JANOARY 2020 – 19 JANOARY 2020

« Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin’ izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’ Andriamanitra ». Lioka 13 :13

SAO DIA IANAO ILAY MANJOKO ARA-PANAHY ?
Nanjoko tsy afa-nitraka ity vehivavy tantaraina eto ity nandritra ny 18 taona.
Ka ny zavatra hitany nandritra ny 18 taona dia ny tany, ny loton’ny tany.
Fa misy olona ry havana, tsy manjoko ara-batana, fa manjoko ara-panahy.
Ka ny zavatra hitany dia ny zavatry ny tany, ny rendrarendra ety an-tany.

Fa izao no vaovao mahafaly : ny tana-maherin’Andriamanitra afaka mampitraka.
Ary io tana-maherin’Andriamanitra io no mipetraka amin’ny lohantsika rehefa hametra-tanana aty-piangonana isika.

Fa ahoana ihany koa no hahitantsika an’izany tanan’Andriamanitra izany ka hihazonantsika azy ? Isaky ny mitady an’Andriamanitra ianao amin'ny famakiana Baiboly, amin'ny fankanesana any am-piangonana hivavaka na hanatrika fivoriana, ka tafahoana marina Aminy, sy tena manana faniriana lalina hamboly fifandraisana manokana Aminy.
Rehefa izay, dia Izy maneho ny tana-maheriny aminao, ary ianao kosa hitraka amin’izay mampanjoko anao rehetra.

Amena !