"Ary hita marimarina fa amin'ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra ; fa ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Habakoka 2:4)". [* Na: ny marina ho velon'ny finoana] — Galatiana 3 : 11
Tohiny
"Havotako tsy ho azon'ny herin'ny fiainan-tsy hita* izy; Hovonjeko ho afaka amin'ny fahafatesana Izy; Ry fahafatesana o, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsy hita o, aiza ny fandringananao? Afenina tsy ho hitan'ny masoko ny nenina.[Hebreo: Sheola]" — Hosea 13 : 14
Tohiny
"Hoy Jesoa taminy: Avia hisakafo. Fa tsy nisy mpianatra sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Ianao? satria fantany ihany fa ny Tompo Izy. Ary tonga Jesoa, dia nandray ny mofo, ka natolony azy, dia vao ny hazandrano indray". — Jaona 21 : 12 - 13
Tohiny
"Ary hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanona, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina". — Eksodosy 14 : 13 - 14
Tohiny



